Tsy mitsahatra ny tolona raha tsy manitsaka kianja ny filoha Ravalomanana
Tsy hamingana an’i Hery Rajaonarimampianina raha i Marc Ravalomanana, hoy i Manoela tetsy amin’ny Magro Behoririka omaly
Ny tolona tsy tapitra raha tsy manitsaka kianja Ravalomanana, hoy i Zafilahy Stanislas, ary rehefa milaza izy hoe tapitra vao mijanona ka angatahana mba hisy isaky ny herinandro ny fizarana vaovao. Dingana ihany no vita tamin’ny zoma fa tsy tanjona, hoy hatrany ny kabary teny Behoririka omaly. Ny faniriana dia hanjaka tanteraka ny fihavanana ka ny Malagasy no hihavana amin’ny fireneny mba tsy hovarotana intsony. Re teny amin’ny Magro omaly fa betsaka ny fanambatambazana vola natao tamin-dRavalomanana, indrindra fa avy amin’ny Frantsay fa tsia hatrany no valiny, indrindra tany ivelany, tsy tahaka ny mpanao politika tia vola izy. Ary noho ny aretina mahazo ny mpanao politika sy ny vahoaka no nampitsangana ny FFKM dia nipoitra ny tsy mankasitraka ny fampihavanana, tsy mahay raha tsy mamotika firenena, na marary aza ny niainana rehefa fihavanana dia halevina ny disadisa. Raha tsaraina tokoa ny 2002 dia any aminareo ny rihitra, hoy ny mpandahateny teny amin’ny Magro omaly. Ho aiza isika raha mbola lonilony no iainana ? Mba afaka milatsaka avokoa amin’ny 2018 dia ho hita ny tena mamim-bahoaka fa tsy ny vava no atao betsaka. Tsy olona fahatany Ravalomanana ka ho very ary miaiky azy hatramin’ny iraisam-pirenena. Efa nihaona izy sy i Hery Rajaonarimampianina nialoha ny fihaonana filoha 5. Tsy maintsy nisy ny nifanarahana ary ny mahagaga dia na teo avokoa aza ny filoha rehetra dia i Marc Ravalomanana ihany no resaka.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.