Tsy atokisan’ny iraisam-pirenena ity fitondrana mampiesona ity
Noho ny ataon’ny mpitondra manao ariary zato am-pandriana no nahatonga antsika nanohitra azy, hoy i Mamisoa Ambatolampy. Aleony sahirana tanteraka ny vahoaka 20 tapitrisa mahery toy izay hampody an’i Marc Ravalomanana. Mampiditra mpianatra aza tena sahirana ny ray aman-dreny ka asa ny hitranga amin’izao telo volana faran’ny taona izao ?
Ny marina dia tsy atokisan’ny iraisam-pirenena ity fitondram-panjakana mampiesona sy Zero lany tamin’ny hala-bato dia nanambitamby an-dRavalomanana te hody, hoy i Hilarion Fianarantsoa. Tsy manana hery noho ny vondrona eoropeanina ny Frantsay ary vitsy mba tsy hilazana fa tsy misy ny mankasitraka izao fitondrana izao. Tokony ho efa teraka satria efa 9 volana fa tsy izay no mitranga fa olana isan’andro no re sy hita. Atakalo amin’ny tsy hodian-dRavalomanana ny fiainan’ny vahoaka Malagasy. Io fitondrana io tsy hampody ahy hoy Ravalomanana fa Andriamanitra mahay zavatra, miala ho azy io fitondrana io fa tsy mila harodana, ...
Mitady seza ny eny amin’ny CCI
Mitady seza izay ho avy any amin’ny CCI Ivato ary amin’ny anarany manokana. Hotoherintsika eto an-kianja ny hetsika 14 oktobra 2014 fa tongava maro eto an-kianja amin’ny alatsinainy, hoy ny fanentanana omaly teny amin’ny Magro. Nohamafisin’i Zafilahy Stanislas fa amin’ny anaran’ny tenany sy manala tena ireo mikasa ny ho any amin’ny CCI amin’ny 14 oktobra. Mendrika ho an’i Jean Louis Robinson ny mankany satria ao anatin’ny club 0,…% ny tenany, hoy i Zafilahy Stanislas. Tsy manana fitiavan-tanindrazana ny mpitondra ankehitriny fa nitsimpona kitapo latsaka, hoy i Eric Antsohihy, ary tsy hoe tsy mahay fa tsy te hanao mihitsy. Homeo karana sy vazaha avokoa ny tany ary aza jerena mihitsy ny vahoaka fa ny sezanareo hamafisina, dia ho hitantsika eo ny ho tohiny, hoy izy. Tsy mendrika ho an’ny zaza Malagasy ireny Kits scolaires novidian’ny Mapar tamin’ny vola nahodina sy vola tsy fanta-piaviana ireny, hoy i Brenda Ambatondrazaka. Vava fotsiny ny an’ity fanjakana tabebaka ity, hoy Ignace Moramanga, izao dia mampanantena izany fampihavanana hafahafa izany indray. Tany efa vita baorina amin’ny fokonolona tamin’ny fanjanahantany aza mbola ankatoavin’ny fitsarana ho lasan’olom-bitsy ankehitriny ka ady tany inona no hofongorina amin’izany ?
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.