Politique

Mafana ny toe-draharaha Manahy korontana ny Vondrona Eoropeanina


  • Alakamisy 15 Novambra 2018

Namoaka fanambarana ny delegasionin’ny Vondrona Eoropeanina miandraikitra an’i Madagasikara sy Kaomoro omaly.

 Niara-nanao izany ny Ambasadaoron’ny Vondrona Eoropeanina, ny Masoivoho Alemana, Frantsa, Royaume Uni, izay nanipika fa ny fifidianana 2018 dia dingana lehibe iray hanamafisana orina ny demokrasia eto Madagasikara. Hatramin’izao dia mifanaraka amin’ny niheverana azy ny zotram-pifidianana tamin’ny ankapobeny. Nohajain’ny mpikatroka politika ny lalàmpanorenana sy ny lalàna ary mandeha tsara ny fikirakirana ny vokatry ny latsa-bato, hoy ity fanambarana ity. Eo am-piandrasana izany dia milaza izy ireo fa zava-dehibe ny fanajan’ny kandida ny lalàna, ary tsy tokony hisy ny fanambarana manokan’ny kandida izay mety hiteraka fanakorontanana sy mety hitera-doza eto amin’ny tany sy ny fanjakana. Raha halalinina io, heverina fa ny mety ho fikatsahan’ny kandida hanao fanambarana fa izy no lany na ilay antsoina hoe: “auto-proclammation”. Ny fanoherana ny voka-pifidianana fihodinana voalohany izay andrasana ny fahafenoany, dia tokony hanaraka ny dingana rehetra faritan’ny lalàna sy ny lalàmpanorenana. Milaza moa ny Vondrona Eoropeanina fa tsy manohy ny fanampiana hatrany ny vahoaka Malagasy sy ny fampanjakana ny demokrasia eto amin’ny tany sy ny fanjakana. Tsy tongatonga ho azy izao fanambarana izao satria mafampana ny toe-draharaham-pirenena. Tombanana ho manahy korontana sy savorovoro ny Vondrona Eoropeanina ary efa manana ny loharanom-baovaony matoa miantso ny fahendren’ireo kandida mba tsy ho tonga any amin’ny fanakorontanana na tsy fahandrasana tantana amin’ny valim-pifidianana na koa hanao zavatra mifanohitra amin’ny lalàna hanoherana ny valim-pifidianana.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT