Fotoana fohy tsy hamoahan’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana rahampitso 28 novambra amin’ny 10 ora maraina,
dia miseho ny toe-javatra hafahafa, izay tsy hay na misy hifandraisany amin’izao toe-draharaha politika lalovan’ny firenena izao na tsia. Fiara iray marika R5 mantsy no may tsy lavitra ny Lapan’ny HCC eo Ambohidahy omaly maraina. Eny an-toerana izay iaraha-mahalala fa misy ny fihetsiketsehana politika ataona andian’olona manakiana ny resaka valim-pifidianana sy ny pitsopitsony momba izany no isehoana toe-javatra mampiahiahy. Nirehitra noho ny olana ara-teknika ve ity fiara nijanona teo amin’ny toerana fitangorongoronan’ireo mpanao fihetsiketsehana anoloan’ny Fitsarana momba ny kaonty ity sa niniana nodorana mihitsy ? Tsara petraka teo amin’ny sisin-dalana ka toa sarotsarotra ny hiheverana fa olana ara-teknika no nampirehitra azy. Raha ambadika politika, dia heverina ho mety fanairana sy fampitandremana na don-tandroka ny hevitra fonosiny amin’izao fotoana vitsy tsy hamoahan’ny HCC ny voka-pifidianana izao. Asa aloha izay hiseho ato anatin’ny ora vitsy fa azo hadika ho fiakaran’ny maripana ara-politika ihany ny toe-javatra tahaka itony, raha mifamatotra tokoa izao toe-javatra izao. Raha ny tantara efa nisy no zohiana dia mety hiitatra any amin’ny fanimban-javatra sy fananan’olona ny hetsika misy ambadika politika iray rehefa tsy misy fivoarany na vokany, raha tsy hilaza afa tsy ny tamin’ny 2009 isika. Marihina sy haverimberina foana anefa fa tsy hisy hanana tombontsoa amin’ny gidragidra sy ny fanimban-javatra izany, ka tokony hiandry am-pitoniana izay hambaran’ny HCC ny rehetra. Efa nomen’ny lalàna zo feno hitory izay tsy afa-po tamin’ny fifidianana na kandida na olom-pirenena tsotra, ka mila hajaina sy toavina izany, ary andrasana am-pahendrena izay ho valim-pifidianana eo. Sanatria ve ka ireo kandida nilaza sy niventy ny hampandroso firenena no mijoro ho loharanon’ny korontana sy ny savorovoro mety hitarika krizy lalina ho an’ny vahoaka Malagasy ? Tsy fotoana ve izao hametrahana fitoniana sy filaminana e ?
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.