Mafampana ary mizotra haingana ny raharaham-pirenena eto Madagasikara. Vaovao lehibe nanamarika ny fiatombohan’ny herinandro ny fahatongavan’ny filoha teo aloha Ravalomanana Marc eto an-tanindrazana. Nalaina an-keriny teny amin’ny trano fonenany ny tenany ary tsy fantatra mazava ny toerana misy azy ankehitriny. Samy manana ny fijeriny ny momba izay ireo olom-pirenena.
Gothlieb, mpanakanto : «Mikaviavia isika Malagasy izay midika ho tsy fahaizana. Tsy manana fanetren-tena miaiky izany isika. Rehefa tsy mahay ny olona iray dia manampy azy koa ilay olona manodidina azy. Mihevitra ihany koa ny olon-tsotra fa tapi-pahaizana ny mpanao politika. Ny zava-mitranga amin’ny ankapobeny anefa dia voaporofo fa tsy mahay isika. Tsy mahay miara-monina, tsy mahay mifandamina, tsy mahay miresaka, tsy mahay mikabary fa olona taitaitra manao zavatra ka mila ialana izay tsy fahaizana izay».
Jean Louis, mpitarika fikambanana : «Tsy rariny sy tsy mendrika ny nahazo ny filoha Ravalomanana. Anjaran’ny vahoaka Malagasy no mieritreritra satria olom-boafidy ny filoha teo aloha no nesorina teo amin’ny toerany. Mazava izany izao fa manohy ny fitantanan-dRajoelina ny fitondrana Rajaonarimampianina izay samy mpanongam-panjakana ary mampiasa ireo miaramila ho fitaovam-pamoretana. Iaraha-mahita fa tsy misy mandeha amin’ny laoniny ny fiainam-pirenena ankehitriny. Olona mendrika ny filoha Ravalomanana tamin’ny zavatra maro nentiny teto amin’ny firenena ka mila mijoro mitaky ny famoahana azy ireo tonga saina rehetra».
Hajason, mpitarika tanora : «Mitarika krizy vaovao iny trangan-javatra niseho iny. Tsy mbola tara raha te-hiroso amin’ny tena fampihavanam-pirenena ny mpitondra. Mety ho nisy tokoa ny zavatra tsy nety na ny an-daniny na ny an-kilany nefa ny tena zava-dehibe ny fahafahana mifamela heloka».
Fama, mpiasam-panjakana : «Tsy mijanona intsony ho Marc Ravalomanana ny resaka fa tena fanaovana zinona ireo vahoaka marobe an-tapitrisany ao an-damosiny. Na inona lazain’ny mpitondra ankehitriny dia noferana ny safidin’ny olom-pirenena Malagasy tamin’ny fifidianana farany teo. Manana ny safisiny ao am-po tsy miloaka ny vahoaka matoa niandrandra foana ny fahatongavan’ny filoha Ravalomanana eto amin’ny tany sy ny firenena. Tsy tokony hohadinoina fa voafidy in-droa miantoana izy teto Madagasikara ary nesorina tamin’ny fomba mamohehatra tamin’ny 2009 dia mbola ireny ihany koa ny zava-nisy izay mampalahelo sy manohana ny fo. Mila mandinika tsara noho izany ireo mpitondra fa sao ho tratran’ny tahaka ireny ihany koa».
Nina, olon-tsotra : «Kanosa ny fitondrana misy eto Madagasikara. Tsy afaka mijoro amin’ny maha filoham-pirenena azy ny prezidantsika satria ampiasain’ny mpiara-miasa aminy amin’izay tiany hanaovana azy. Mila olana manana ny tsangan-keviny ny firenena fa tsy toy ny namela ny zava-nitranga mampalahelo tahaka ireny. Hita ho tsy mihevitra afa-tsy ny hahazoana ireo famatsiam-bola fotsiny ireo mpitantana ka tsy mahita intsony izay tena tombontsoan’ny vahoaka. Famaizana ny mahazo ny firenena Malagasy izao ka mila manolo-tena sy mametraka ny firenena eo anatrehan’ilay Mpahary isika mpiray tanindrazana».
Gaby, mpanao politika : «Manome tsiny ny mpitandro ny filaminana ny tenako tamin’ny fampiasan-kery sy fanimban-javatra nataon’izy ireo teny Faravohitra. Manana ny sata manokana amin’ny maha filoham-pirenena teo aloha mantsy andriamatoa Marc ka tokony hita soritra ny fanarahan-dalàna.Tompon’antoka tanteraka amin’ny mety ho tohin’ny zavatra hitranga ny fanjakana. Tsy vitan’olona iray i Madagasikara ka ilaina ny fiaraha-miasan’ny rehetra ka anisan’izany ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana. Efa nitondra ny anjara birikiny teto amin’ny firenena rahateo ny tenany ary mbola vonona ny hanampy. Tsy tsara ny miziriziry ka ilaina ny fifamelana satria tsy nisy tsy diso teto».
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.