Politique

Madagasikara-Vondrona Eoropeanina Mbola baraingo ny fivoahan’ny famatsiam-bola


  • Alarobia 11 Febroary 2015

Tsy nivaona tamin’ny fifanarahan’i Cotonou ilay «dinika politika» nifampiresahan’ny delegasionina eoropeanina nahitana ny lehiben’ny masoivohony eto Madagasikara Antonio Sanchez-Benedito Gaspar tamin’ny fitondram-panjakana Malagasy notarihin’ny filohan’ny Repoblika Rajaonarimampianiana Hery

 

. Ny Fifanarahana Fiaraha-miombon’antoka Afrika Karaiba Pasifika miaraka amin’ny Vondrona eoropeanina vita sonia tany Cotonou izay manasongadina ny lafiny mahakasika ny zon’olombelona, ireo fototry ny demokrasia ary ny fanjakana tan-dalàna. Efa miverina amin’ny laoniny nanomboka tamin’ny 19 mey 2014 ny fifandraisan’i Madagasikara sy ny Vondrona eoropeanina. Taona fanombohan’ny FED andiany faha-11 izay hifarana amin’ny taona 2020. Mitentina 500 tapitrisa euros mahery ny fanampiana natokana ho an’ny firenena Malagasy mandritra io vanim-potoana io saingy tsy voafaritra mazava ny fotoana ahazoana izany. Nahanton’ny Vondrona eoropeanina nanomboka tamin’ny volana jona 2010 moa ny fiaraha-miasa eo amin’ny sehatry ny fampandrosoana teto Madagasikara taorian’ny fakàna an-keriny ny fahefana nitranga teto amin’ny firenena ny 17 martsa 2009. Tapaka niaraka tamin’izay ihany koa ny Tahiry eoropeanina momba ny fampandrosoana andiany faha-10 mitentina 588,2 tapitrisa euros. Voatsinjo manokana kosa ny tontolo maha olona niaraka tamin’ny tohana tamin’ny fikarakarana ny fifidianana taorian’ny fanasoniavana ny tondrozotra ny 16 septambra 2011. Azo nampiasaina tamin’ireo sehatra roa ireo kosa ny ampahany mitentina 303,61 tapitrisa euros tamin’ny FED andiany faha-10 nandritra ny taona 2012-2013.


Ramano F.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT