Politique

Madagasikara tsy tan-dalŕna Olana fototra ny tsy fanajana Lalŕmpanorenana


  • Talata 03 Febroary 2015

Vao 55 taona monja izay no niverenan’ny fahaleovantenan’ny firenena Malagasy nefa efa Repoblika efatra sahady no nifandimby hatramin’ny taona 1960. Tsy filaminana ara-politika hatrany no nampikorontana ny fiarahamonina noho ny tsy fitovian-kevitra sy fahasamihafam-pijery amin’ny fitantanana ny raharaham-pirenena

 

. Lasa fomba amam-panao mihitsy tao anatin’ny taona maro teto amintsika ny fidinana an-dalambe ho fanoherana ny tsy mety ataon’ireo mpitondra voafidim-bahoaka. Rariny sy hitsiny raha maneho hevitra am-pilaminana ny olom-pirenena mitaky ny fanatanterahana ny fifanarahana sosialy nampanantenaina azy. Tsy mitombina kosa anefa ny fanovana isaky ny misy fihetseham-bahoaka ny Lalàmpanorenana mba hidirana amin’ny Repoblika vaovao. Tsy vahaolana mihitsy ny fanovana ny Lalàna fototra araka izay hitiavan’ny mpanao politika azy, hoy ireo mpahay lalàna efa zokinjokiny. Mila mijoro ireo manampahaizana sy mpandalina lalàna manoloana ny tsy fanarahana mihoapampana azy io miseho eto Madagasikara. Rehefa fandikan-dalàna dia mendrika ny hosaziana na mpitondra fanjakana na olom-pirenena tsotra, hoy ny fanampim-panazavan’ireto olon’ny lalàna ireto.

Ramano F.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT