Fandrebirebena ny vahoaka Malagasy fotsiny ny zava-misy eto amin’ny firenena ankehitriny.
Trangan-javatra fanakonana ny tena olana misy eto Madagasikara avokoa mantsy ireo karazana fitakiana sy fihetsiketsehana marobe eny anivon’ny fiarahamonina amin’izao fotoana izao, hoy ny fikambanana «Asandratro ny Fireneko». Ny antony dia satria tsy mihevitra ny fampandrosoana ny tanindrazana sy ny mponina ao aminy velively ireo mpitondra fanjakana napetraky ny fianakaviambe iraisam-pirenena izay nanao fanarahana miafina tamin’ireo firenena lehibe mihevitra ny hanjanaka amin’ny endrika vaovao indray ny firenena Malagasy. Tanjona fototra ny hifehy ireo karazana harena ankibon’ny tany, andranomasina sy ambonin’ny tany eto Madagasikara. Efa porofo mivaingana mampiseho izany ny fanapotehana ireo orinasam-panjakana toy ny Jirama, Air Madagascar na koa ny fanomezana vahana ireo vahiny amin’ny fahafahan’izy ireo mividy tanim-panjakana. Tsy hampandroso antsika velively ny fifanomezan-tsiny na ny fifanenjehana eo amin’ny samy Malagasy. Tsy misy afa-tsy ny fahaizantsika miaro sy mifehy ireo harena marobe azo trandrahana ireo no vahaolana tokana hanala ny Malagasy ao anatin’ny fahantrana, hoy ny fikambanana.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.