Politique

Madagasikara Tafaray Hanara-maso hatramin’ny vokatry ny HCC


  • Alakamisy 20 Desambra 2018

Isan’ireo fikambanana nilatsaka nanara-maso ny fizotry ny fifidianana ho filoham-pirenena fihodinana faharoa teny amin’iny boriborintany faharoa iny omaly ry zareo avy eo anivon’ny fikambanana Madagasikara tafaray izay tarihin’ny filohany, Mbola Rajaonah.

 

 

 Araka ny nambaran’ny filoha lefitra, Berija Ravelomanantsoa, dia nitety ireo biraom-pifidianana maro toa an’Ambohipo, Ambolokandrina, Mandroseza sy ireo hafa tao amin’ity boriboritany ity mihitsy ny tenany sy ny ekipany. Nahoraka omaly moa ny zava-nitranga tao amin’ny biraom-pifidianana laharana faha 14 tao Ambohipo izay nahatrarana bileta tokana miisa 700 nifono tanaty sase miloko mainty. Misaotra ny mpitandro filaminana, hoy ny tenany, nandray ny andraikiny ka nisambotra ireo tratra sy manao ny famotorana. Aoka mba ho ny tena safidim-bahoaka marina no hivoaka, hoy ny tenany, ary samy ho mailo ny rehetra hanara-maso sy hiaro ny safidiny fa eto Antananarivo aza misy toy izay dia ahoana izany ny any ambanivolo any? Izahay, hoy ny Madagasikara Tafaray dia hanara-maso io voka-pifidianana io hatramin’ny fivoahan’ny valiny ofisialy eny amin’ny fitsarana avo momba ny lalàm-panorenana na HCC.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotàm-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

Hijery ny tohiny
FTT