amatoa Véronique Vouland-Aneini, no masoivoho vaovaon’i Frantsa eto Madagasikara hisolo toerana an’i François Goldblatt.
R Diplomaty i Vouland-Aneini, ary mpikambana ao amin’ny filankevi-pitantanan’ny Agence Française de Développement (AFD) misolo tena ny minisiteran’ny Raharaham-bahiny frantsay eo anivon’izany ivon-toerana tena mahalala tsara an’i Madagasikara izany.
Anio izy no horaisin’ny Filoham-pirenena Malagasy eny Iavoloha. Fifandraisan’i Frantsa sy i Madagasikara, raharaha vaovao indray no tena hanamarika izany dia ny fangatahan’ny praiminisitra ny hamerenana indray ny handinihana ny fiaraha-miasan’ny tany roa tonta izay nofaritan’ny «Accord-cadre» nosoniavin’ny Amiraly Ratsiraka Didier fony izy mbola minisitry ny Raharaham-bahiny tamin’ny 4 aprily 1973. Ny fifandraisana ara-diplomatika, sy ny ara toekarena, fandriampahalemana, koltoraly no tena nofaritan’ity fifanarahana izay nangatahin’ny jeneraly Ravelonarivo Jean fanavaozana ity. Nambaran’ity farany moa fa mba hitadiavana tombontsoa misimisy kokoa amin’ny fanampian’i Frantsa manoloana ny fomba fijery sy fomba fitantanana ara-politika apetraky ny Paik’ady Natao Dinasa no tena antony. Dia ho hita eo indray ny fanovana ny fanitsiana ny «Accord-cadre». Iaraha-mahalala sy iaraha-mahita aloha dia ny mpandraharaha frantsay no mamehy ny tontolo ara-toekaren’i Madagasikara hatramin’izao raha tsy hiteny afa-tsy ny banky sy ny famatsiana solika ary ny fitaterana ana habakabaka sy ny fitantanana ireo seranam-piaramanidina isika. Manginy fotsiny ny fifehezan’ny teratany karana mizaka ny zom-pirenena frantsay ny sehatra hafa toy ny fifandraisana ny varotra tsena anatiny sy ivelany. Anisan’ny tena lehibe ihany koa ny momba ireo nosintsika «Iles éparses» izay lasa isika indray no tompony mangataka ny atiny kanefa ny hasin’ny firenena malagasy aza novingavingaina tatsy amin’ny nosy La Réunion nandritra ny Lalaon’ny Nosy andiany faha-9 farany teo. Dia ho hita eo indray amin’ny fivorian’ny tany miteny amin’ny ampahany na manontolo ny teny frantsay izay hatao aty amintsika amin’ny taona 2016. Omaly no efa noraisin’ny minisitry ny Raharaham-bahiny ity masoivoho vaovaon’i Frantsa ity izay nampanantena fa tsy hitsabaka amin’ny fitantanana anatiny ny fitantanana ny firenena fa hanao izay hampalaky koa ny fahatogavan’ny fanampian’i Frantsa amin’ny alalan’ny AFD tapany farany.
Andry Ratovo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.