Mila filoha matotra sy voky traikefa i Madagasikara satria efa tena latsaka an-katerena ny firenena.
Filoha tena mahalala tsara ny tantara politika, ekonomika ary sosialy eto Madagasikara tato anatin’ny 25 taona no ilaina. Raha sanatria diso safidy sy diso lalana eo isika dia ho very taona maro indray. Filoha afaka miresaka amin’ny rehetra sy vonona hihavana ihany koa fa tsy olona hiketrika valifaty na hihetraketraka. Mahafehy ny fifandraisana amin’ny any ivelany ary tena mpitarika na « leader » to teny fa tsy fatopatoran’ny vondron’olona mpanefoefo atsy na aroa na olona mety nanao fifanarahana maloto tany ambadika tany amina resa-bola be ho setrin’ny fanohanana. Raha hatao ny fijery tsy mitanila, dia i Marc Ravalomanana no manana sy mahafeno izay fepetra izay amin’ireo kandida roa tonta. Raha ara-toekarena sy fampandrosoana dia tamin’ny androny no nosokajian’ny ONUDI (Organisation des Nations Unies pour le Développement Industriel) ho firenena filamatra taty Afrika i Madagasikara. Vaky vava tamin’ny fahaiza-manaony ny Afrikanina, ary mbola porofon’ny fahamendrehany ny nifidianana azy ho mpitarika politika mendrika taty Afrika tamin’ilay fifaninanana “Political leadership” ny taona 2017. Efa niaiky sy naka lesona ary nangata-pamelana tamin’ny mety ho fahadisoana nataony, nanatona sy nifanakalo hevitra tamin’ireo nanana olana taminy ka ireny aza resy lahatra ny hanohana azy. Raha hiverenana ny tantara tamin’ny 2002, tsy nanaiky ny maha filoha azy ny Frantsay, saingy ny taona 2004 dia efa tongany teto hatramin’ny Filoha Frantsay Jacques Chirac nanehoany fa tena miasa sy mahavita zavatra izy. Afaka mandresy lahatra ny firenen-dehibe sy ny mpiara-miombon’antoka ka tanteraka amin’ny zavatra mety tsy hampoizin’ny maro satria anisan’ny nanampy betsaka an’i Marc Ravalomanana tamin’ny fotoan’androny ny AFD (Agence Française de Developpement). Nisokatra tamin’izao tontolo izao i Madagasikara ka resy lahatra sy nanampy ny Vondrona Eoropeanina, ny Tahirimbola Iraisam-pirenena (FMI) sy ny Banky iraisam-pirenena.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.