Nandritra ny fitondrana Ravalomanana (2002 – 2009) no nisy fientanan’ny toekarena tsara indrindra teto Madagasikara. Efa nahatratra 7,1% ny fitomboan’ny harinkarena raha toa ka 6% mahery kely ny salanisa ho an’ny kaontinanta Afrikanina.
Nahavita nametraka rafitra maro mba irosoana amin’ny fanjakana tsara tantana ny fitondrana Ravalomanana ka singanina manokana amin’izany ny sampandraharaha miady amin’ny kolikoly nahitana ny Bianco sy ny Samifin. Natsangana ihany koa ny EDBM hanomezana tosika ireo mpandraharaha te hanangana orinasa. Voafafa ny trosan’i Madagasikara nitentina 5 miliara dolara nobabena nandritra ny repoblika faharoa sy ny repoblika fahatelo tapany voalohany. Nanomboka niditra teto ireo orinasa goavana toy ny QMM sy ny tetikasa Ambatovy, efa natomboka ny fitsirihana ny solitany ary fantatra fa tena manana tahiry ana miliara barila i Madagasikara ka noho izany hahazo tombontsoa betsaka rehefa mandeha ny fitrandrahana satria sady afaka hanondrana no hampiasa izany eto an-toerana amin’ny vidiny mora ihany koa.i Marc Ravalomanana no filoha tena nanaitra ny Malagasy tamin’ny torimasony, nametraka fomba fiasa mazava tsara, namerina ny fanajana ny lalàna sy ny fitsipika, namelona indray ilay hambompom-pirenena. Ary efa tena nanomboka nijoro i Madagasikara, fiaraha-miasa no natao tamin’ny sehatra iraisam-pirenena fa tsy misy teny midina tsy maintsy tanterahana izany. Rava teo ireny rehetra ireny rehefa tonga ny fanonganam-panjakana ny taona 2009, niverina ny gaboraraka sy ny fandikan-dalàna amin’ny sehatra rehetra, nihena ny ankizy sy tanora niditra an-tsekoly ary tena niha ratsy ny kalitaon’ny fampianarana. Niha nahazo vahana ny tsy fanjarian-tsakafo sy ny tsy fandriampahalemana. Niverina nanao ampihimamba ny famokarana, ny fanafarana entana sy ny fandraharahana teto ireo vahiny mialokaloka ao anatin’ny hoe manana kara-panondrom-pirenena Malagasy, kanefa sady miaro ny tombontsoan’ny mpanjanatany fahiny ihany koa. Midika izany fa tsy tolona na ady eo amin’ny sehatra politika fotsiny no atrehana amin’izao fotoana fa tena ady goavana ho amin’ny fifehezan’ny Malagasy ny toekarena sy ny harena misy ao aminy mihitsy. Tsy tara fa mbola azo atao tsara ny manangana banky tena Malagasy, ny mampiroborobo ny orinasa Malagasy, ny manatsara ny kalitan’ny entana vita Malagasy sy ny mampifaninana azy eo amin’ny tsena iraisam-pirenena. Izay fifohazan-tsaina hanandratra sy hiaro ny maha Malagasy eo amin’ny sehatry ny politika sy ny toekarena izay no tena tsy tantin’ny sasany ka mahatonga azy ireo hanao fandemen-tsaina sy fampihorohoroana. Mazava ilay tenin’ny filohan’ny HCC Jean Eric Rakotoarisoa tamin’ny famoahana ny voka-pifidianana ofisialin’ny fihodinana voalohany nanao hoe : “ amin’ity 2018 ity no fotoana farany hahafahantsika mamerina ny hasin’ny fiandrianam-pirenena…”. Izany hoe raha sanatria ka maty momoka ny tolona ka handresy sy hahazo fahefana ny mpangala-bato dia izay no vita fa lafo ambongadiny i Madagasikara ary tena hoviravirain’ireo mpanjanaka sy ny taranany.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.