Politique

Madagasikara Mbola mila mpanabe maro


  • Alakamisy 08 Oktobra 2015

Raha araka ny fantatra dia mbola mila mpanabe marobe tokoa isika eto Madagasikara hahafahana manatsara hatrany ny fanabeazana ny zaza malagasy.

 

Voakasik’izany manokana ireo mipetraka any amin’ny faritra ambanivohitra izay tsy manana sekoly no sady tsy misy mpampianatra ihany koa ka voatery mijanona tsy fidiny na mandeha dia an-tongotra hatrany amin’ny 72 ora vao mahita sekoly iray. Ilana ezaka ny fanampiana ireo mpampianatra eto amintsika raha tokony ho vaindohan-draharaha ihany koa ny fanomezana fiofanana ho azy ireny. Ho an’ny SOS Village d’enfant manokana izay mitaiza sy manabe ireo ankizy sahirana tsy manam-piahy dia vain-dohan-draharaha ho azy hatrany ny fanofanana mpampianatra izay nahazoany loka goavana. Toraka izany koa ny MONEPT ( mouvement national pour l’éducation pour tous ) izay nikarakara fifaninanana nahazoana mpampianatra miisa 10 teto Madagasikara loka goavana ihany koa ka ny telo tamin’ireo no voasokajy ho mendrika indrindra tao anatin’ilay fandaharan’asa Global teacher praise. Nankalazaina omaly ny andro maneran-tany ho an’ny mpanabe. Ankoatra ny fampahafantarana mikasika ny ezaka hataon’izy ireo sy ny minisitera amin’ny fanatsarana ny sehatry ny fanabeazana eto amintsika dia misy ny tranoheva maromaro mampahafantatra ny asa fanabeazana sahaniny etsy amin’ny lapan’ny tanàna Analakely nanomboka omaly.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

Hijery ny tohiny
FTT