Efa tamin’ny taona 2009 no nivonona hampiantrano ny fihaonana an-tampon’ny Frankofonia ny firenena Malagasy saingy voasompatry ny fanonganam-panjakana.
Hahemotra amin’ny taona 2016 moa io fandraisan’i Madagasikara ny fivoriamben’ireo firenena mampiasa ampahany na manontolo ny fiteny frantsay io. Vaovao vao nilatsaka ihany koa ny hanatontosana ny fifamotoanan’ireo firenena 19 mpikambana ao amin’ny Comesa eto Dago afaka herintaona. Voninahitra lehibe ho an’ny vahoaka Malagasy ary fanamby goavana ho an’ny fitondram-panjakana ny hisian’izany fihaonambe iraisam-pirenena in-droa miantoana ao anatin’ny taona iray izany eto amintsika. Iaraha-mahalala anefa fa mbola miaina ao anatin’ny fahasahiranana tanteraka ny ampahany betsaka amin’ny mponina eto Madagasikara taorian’ny krizy naharitra teto amin’ny firenena. Tsy mbola nahita mangirana tamin’ny toky nomen’ny mpitondra fanjakana rahateo ny mpiray tanindrazana hatramin’izao. Mba tsy hijanona ho lokaloka sy fampanantenan’ny mpitantana malagasy fotsiny ireo fotoan-dehibe roa manan-danja eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena ireo.
Ramano F.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.