Politique

Madagasikara Efa afaka miteny eo anivon’ny fivorian’ny ACP sy UE


  • Talata 09 Desambra 2014

Raha karazan’irony mpizaika mpitazam-potsiny irony ny parlemanta Malagasy nanatrika ireny fivorian’ny ACP sy UE ireny tamin’ny fotoanandron’ny fitondrana tetezamita ireny, hoy ny filoha lefitry ny Antenimieram-pirenena Faritanin’i Toamasina, ny depiote Razafindravelo Herman

, dia efa afaka mandray fitenenana  sy maneho hevitra kosa ankehitriny noho ny fananantsika olom-boafidy miatrika an’ireny fivoriana ireny sy ny fiverenantsika amin’ny “ordre constitutionel”. Toy izany no niseho, hoy ity depiote nitarika ny delegasiona niatrika ny fivoriana faha-36-n’ny parlemantera ACP sy ny fivoriana faha-28-n’ny ACP/UE niaraka taminy tany Strasbourg  tamin’ny (26 nov-3 des) ity. Tao anatin’ny kaomision’ny fampandrosoana ara-toekarena sy ara-tsosialy no nisy ny delegasiona Malagasy, hoy ny depiote Herman, ka voalazanay tsara tamin’ny antsipirihany ny zava-misy rehetra taty. Ny an’i Afrika afovoany moa dia ny resaka aretina ebola no laharam-pahamehana nodinihana tao anaty kaomisiona ary ny tsy fampidirana an-tsekoly zaza madinika, indrindra ny vehivavy. Nitambaran’ny rehetra kosa  ary tena notakian’ny ACP sy UE sy fampiharana ny fampihavanam-pirenena ho an’ny tany rehetra nandalovan’ny krizy. Tokony hiditra amin’io fampihavanana io ny rehetra raha tsy izany tsy hisy fitoniana, hoy ny ACP. Efa azo antoka kosa anefa ary tsy hisy sakana intsony ny hivoahan’ny famatsiam-bola rehetra  toy ny Ape ny famatsiam-bola Fed sns… ho antsika eto Malagasy fa miankina fotsiny amin’ny antsoina hoe “mise en oeuvre” sisa izany.

Ntsoavina Evariste

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT