Politique

Loza mahatsiravina Sinoa lahy maty noviraviraina, ramatoa vadiny niboraka tsinay


  • Alarobia 04 Febroary 2015

Nipoaka ny basy ary nandriaka ny ra ! Lehilahy metisy sinoa iray, 50 taona eo no lavo. Notafihin’ny andian-jiolahy ny tokantranon’ity mpandraharaha ara-toekarena efa an-taonany maro ao Lokomby Manakara ity ny alin’ny alatsinainy teo. Novonoina tamin’ny fomba feno habibiana izy satria dia bory ny sofiny sy ny tanany,

 

ankoatra ny tifitra nahazo azy. Gorobaky ny zava-maranitra ny kibon-dramatoa vadiny ary dia niboraka ny tsinainy. Tsy mahatsiaro tena ao amin’ny hopitaliben’i Manakara ity ramatoa ity hatry ny omaly hariva, nandraisana ny vaovao. Notifirin’ireo jiolahy teo amin’ny tongony koa ny zanak’izy ireo lahy iray. Lasan’ny jiolahy ny vola iray “coffre”. Mikasa ny hitondra ny reniny hotsaboina aty an-drenivohitra ny zanak’ireto niharam-boina ireto, saingy tsy nahazo vola raha nakany amin’ny banky, satria hono sonian’ilay raim-pianakaviana maty no eken’ny banky hamoahana vola. Iray andro talohan’io dia nitrangana fanafihana ihany koa tao Manakara tampon-tanàna. Najifan’ny jiolahy ny entana tao anaty mangazay, fa mamo ny mpiambina. Mihorohoro ny mpandraharaha sy ny mponina any an-toerana ankehitriny noho ny firongatry ny asan-jiolahy.

Nangonin’i Jean D.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT