Politique

Loza


  • Alakamisy 08 Janoary 2015

Nanaitra ny sain’ny maro maneran-tany omaly ny vonomoka nataon’ ireo iraky ny EI tamin’ny mpanao gazetin’ny Charlie Hebdo tany Paris–Frantsa.Nilaza ireo nahavanon-doza fa valifaty noho ny fanimbazimbana ny mpaminany Mahomet no nahatonga izao famonoana izao, efa nisy ihany ny fampitandremana nataon’ireo Jihadista ny Frantsay, saingy mety tsy tena nieritreritra tranga tahaka izao angamba ny tany an-toerana

Tsy isalasalana intsony izany ankehitriny fa dia efa tonga any Frantsa ny asa fampiorohoroana ataon’ny Silamo mahery  fihetsika, mbola tena ao anaty fahasahiranana tanteraka anefa ny fitondrana tarihan’ny filoha Hollande, fa tsy maintsy miatrika indray ity hatezeran’ny jihadista ity.Efa mananiky ny arivo ny teratany Frantsay fantatra fa manaraka ny famianarana sy fampàihofanana ary ny hetsika ataon’ny « Organisation de l’Etat Islamique » any Irak sy Siria, mety mbola misy koa aza anya mina firenen-kafa.Manahirana ny toe-draharaha tahaka izao ary tsy ho voavaha indray mipi-maso ny olana, mampatahotrasy mampihoron-koditra ihany koa ny mamisavisa hoe :mba hanao ahoana moa ny eto Madagasikara raha sanatria ka tafiditra eto sy mampiorohoro eto izany Silamo mahery fihetsika izany e ?Tsy misy firenena eto ambonin’ny tany na iray aza ka afaka mirehareha sy mandry ivohon’ny vato fa hoe tsy hisy asa fampiorohoroana izany mihitsy any aminy, mila mailo sy malina lalandava fa rehefa tonga izay anie ny loza ka ny patsa iray aza tsy omby vava e !

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT