Politique

Lova napetraky ny tetezamitan-dRajoelina Fahantrana mangitsokitsoka


  • Zoma 05 Desambra 2014

Tena miaina ao anaty fahantrana lalina sy mangitsokitsoka ny maro an’isa amin’ny vahoaka Malagasy taorian’ny fanonganam-panjakana notarihan’ny ben’ny tanànan’Antananarivo tamin’ny taona 2009.

Betsaka ireo fampanantenana nandreseny lahatra ny mpiray tanindrazana 5 taona mahery lasa izay fa ny mifanohitra tanteraka amin’izany no iainan’ny sarambabem-bahoaka amin’izao taona 2014 madiva hifarana izao. Ohatra lehibe azo tsongaina ny fampidinana ny vidin’ireo entana ilaina amin’ny fiainana andavanandro toy ny vary sy ny menaka izay midangana be ankehitriny. Torak’izany ihany koa ny fitsaboana maimaimpoana eny anivon’ny hopitaly manara-penitra saingy mbola andoavam-bola izany aloha hatreto. Raharaha lehibe goavana napetraky ny fitondran-dRajoelina ihany koa ny raharaha mahakasika ny tsy fandriampahalemana amin’ny faritra maro manerana ny nosy tahaka ny fanafihan-dahalo izay tsy mety fongana, ny olana marobe momba ny ady tany, ny fanondranana an-tsokosoko olona sy ireo harena ankibon’ny tany toy ny andramena, ny volamena, ny sokatra sy ny maro hafa tsy voatanisa. Fahavoazana lehibe vokatry ny fangalana an-keriny ny fahefana tamin’ny taona 2009 ny fifehezan’ireo be sandry sy manampahefana mpanam-bola ny toekarena Malagasy miaraka amin’ireo fomba mamohehatra amin’ny endrika isan-karazany tahaka ny kolikoly sy ny tsindry bokotra mitranga eny anivon’ny sampandraharaham-panjakana ankehitriny. Mameno ny tanàna ihany koa ireo tsy fanarahan-dalàna samihafa. Voalaza tamin’ny taona 2007 anefa ny fampihenana ny tahan’ny fahantrana eto Madagasikara hatrany amin’ny 50% hatramin’ny taona 2012 araka ny voarakitra ao amin’ny Madagasikara Am-Perinasa. Vokatry ny fanonganam-panjakana anefa dia tafakatra hatrany amin’ny 92%-n’ny Malagasy no mikarama latsaky ny 2 dolara isan’andro amin’izao fotoana izao, izany hoe sokajiana ho tena mahantra fadiranovana.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT