Notontosaina omaly tontolo andro teny amin’ny efitrano fivoriam-be iraisam-pirenena eny Ivato ilay foraoma ara-toekarena iraisam-pirenena nokarakarain’ny Afrique Media sy ny APRN.
Kandida hilatsaka hofidiana ho filoha miisa dimy no nasaina tamin’izany ka anisan’ireny i Pastera Mailhol, kandida natolotry ny antoko GFFM. Nambaran’ity kandida ity tamin’izany ka mikasika ny lova napetraky ny fanjanahantany aty Afrika no tena noresahina tamin’izany ka nitadiavam-bahaolana. Samy mahatsapa mantsy ny tsirairay hoy izy fa tsy mitondra fandrosoana ho an’ny firenena Malagasy intsony izany ka ho azy manokana dia efa nahitany vahaolana avokoa ny lafiny ara-tsosialy sy ny toe-karena ary ny pôlitika. Tamin’ny fiteny Malagasy no nanatanterahan’ny pastera Mailhol izany famelabelaran-kevitra izany izay tena nampiavaka azy tamin’ny maro. Malagasy aho hoy izy ka manaja ny teniko eto amin’ny taniko izay mitovy amin’ireo tera-tany vahiny mampiasa ny teniny any amin’ny faritra misy azy koa. Mikasika ny fitakiana ny îles éparses izay tafiditra ao anatin’ny fandaharan’asany manokana moa dia nanambara pastera Mailhol fa tsy famakiana ady amin’ny Frantsay izany fa fitsonjovana ny vahoaka Malagasy.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.