Nahagaga sy nahavariana ny nahita an’i Berthin Randriamihaingo loholona HVM, iray amin’ireo notendren’ny filoham-pirenena, izay nanatrika ny famoriam-bahoaka nataon-dRajoelina tetsy amin’ny Lapan’ny Kolontsaina sy ny fanatanjahantena omaly.
Niray seza tamin’ireo olom-boafidy MAPAR ny tenany. Namadika ny HVM no azo handikana io fihetsiny io. Tsiahivina fa efa nirotsaka hofidiana depiote izy ny taona 2013, saingy tsy lany fa tany amin’ny rambondrambony. Nahita lalana tany amin’ny HVM, ka dia voatendry ho loholona, saingy lany mamy angamba ny antokon’ny fitondrana, ary manomboka ho rendrika ny sambo ka dia mipitsika araka ilay hiran’ny mpanakanto iray izay. Ny depiote Jao Jean voafidy tao Antsohihy ihany koa dia hita teny, izay anisan’ireo depiote 79 voatonona ho nanao kolikoly tetsy Tsimbazaza. Tsy fantatra izay mety tsy fifanarahana tany fa raisina ho fialana an-daharana tao anatin’ity antoko na ekipan’ny fitondrana HVM, tahaka ny nataon-dry Harijaona Randriarimalala na Jaona Elite, Paul Rabary,…no azo handikana azy. Ny tsy azo lavina aloha dia nahalala ny ampahany na manontolo ny aferan’ny HVM ireny, ary mety hanome sopapa ny adversera mazava ho azy. Ny sasany aza moa, dia heverina fa ho kandida mihitsy. Anisan’ny efa malaza ihany koa ny anaran’ny praiminisitra teo aloha Mahafaly Olivier fa hirotsaka hofidiana filoha, ary tsy hita teny amin’ny Carlton Anosy ny 27 jolay nisian’ny fanambaran’i Rivo Rakotovao niala tsy ho filohan’ny HVM. Raha izao no mitohy dia Hery i Rajaonarimampianina sy ny ekipa vitsivitsy sisa ho tavela eo, ka ho hita eo izay hiafarany.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.