Efa tapitra iny ny fanangonana ny voka-pifidianana avy amin’ireo SRMV na ireo sampandraharaha misahana ny fikirakirana fifidianana 119 manerana ny nosy, hoy ny loholona voatendry tao amin’ny faritanin’Antsiranana, Amido.
Efa eo am-pelatanan’ny CENI avokoa tokoa ve ny vokatra ? Raha ny tokony ho izy, efa eo am-pelatanan’ny vaomieram-pirenena momba ny fifidianana ity ny 50%-n’ireo vokatra. Ny tsy azo lavina, tsy tratra ny tanjona amin’ny hisian’ny fifidianana mangarahara sy madio ary andraisan’ny rehetra anjara. Be ireo fitarainana voaray momba izany. Maro ny lesoka na teo amin’ny lalàna na teo amin’ny fikarakarana. Ny hisaorako ny vahoaka malagasy, hoy izy, dia naneho fitoniana nampiaiky izao tontolo izao na dia teo aza ny tsy fetezan-javatra. Manerana ny nosy ny lesoka ary niharan’izany izahay tany amin’iny tapany avaratra iny. Hita io na teo amin’ny faritra na distrika na kaominina, indrindra ny biraom-pifidianana. Tsy misy vahaolana ankoatra ny fandravan’ny fitondram-panjakana ny CENI amiko ary tokony hosaziana mihitsy rehefa voaporofo ny tsy fanarahan-dalàna, hoy ity loholona ity.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.