Politique

Lohandohan’ny mpisorona ao amin’ny FFM Hadihadian’ny Bianco fa nanodina volam-panjakana


  • Alakamisy 07 Aogositra 2014

Lohandohan’ny mpisorona telo mirahalahy eo anivon’ny Filan-kevitry ny Fampihavanana Malagasy na FFM no atao fanadihadiana eny amin’ny Bianco nanomboka ny alatsinainy lasa teo .Fanodikodinana volam-panjakana, fanangonan-karena tsy ara-drariny , fanararaotam-pahefana no vesatra iampangana azy ireto ; nisy ny nitory matoa miroso amin’ny fanadihadiana lalina tahaka izao ny Bianco.

. Diso fantatry ny olona loatra izy telo mirahalahy ao amin’ny FFM ireto satria efa niseho sehatra foana tamin’ny resaka fampihavanana teto amin’ny firenena nandritra ny fitondrana tetezamita, tsy dia re feo firy izy ireo teo aloha teo fa izao efa mandalo fanadihadiana lalina izao indray vao re. Manala baraka tanteraka ny FFM izao tranga izao ary tena manaratsy endrika tanteraka ilay fampihavanana kasaina atao eto amintsika, satria dia ny mpampihavana mihitsy anie izany no manao adalana e. Mbola mandeha moa ny fanadihadiana, tsy ho ambara eto ny anaran’izy telo mirahalahy ao amin’ny FFM ireto na dia efa fantatra ihany aza ; ny andrasan’ny besinimaro fotsiny dia ny hoe : aleo hivoka ny tena marina ary tokony hanadihady amin-kalalahana tanteraka ny Bianco ary tena mahaleotena amin’izay fanapahan-kevitra  araka ny lalàna tsy maintsy ho raisiny.Asa na efa nahare tsiliantsofina momba ity afera maloto ity na ahoana ny vondron’Antanimena , izay vao nivory ny alatsinainy sy talata lasa teo, matoa nangataka ny handravana ny FFM.Raha voaporofo fa mitombina ny fiampangana ireo ray amandreny telo mirahalahy ireto, dia tsy mahagaga raha tsy mety mahavita an-tsakany sy an-davany ny asany amin’ny resaka fampihavanana ny FFM, satria kay variana mangoron-karena sy mangalatra ny volam-bahoaka ny mpikambana sasany ao aminy.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotĂ m-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

Hijery ny tohiny
FTT