Politique

Lisitra sy ny biraom-pifidianana Andrasana ny fivoahany ao anaty gazetim-panjakana


  • Zoma 07 Septambra 2018

Ao anatin’ny fikarakarana ny fifidianana izay ho Filoham-pirenena tanteraka ny CENI amin’izao fotoana izao.

 

 

Voalazan’ny lalàna fehizoro Laharana faha-2018-008 tamin'ny 10 aprily 2018, andininy faha-125 fa tsy maintsy faritana amin'ny alalan'ny fanapahana raisin'ny CENI, enim-polo (60) andro farafahakeliny mialoha ny androm-pifidianana ny lisitra sy ny toerana misy ireo biraom-pifidianana. Milaza ny Vaomieram-Pirenena Mahaleotena Misahana ny Fifidianana (CENI) fa efa nampitain’ny ao amin'ny sampandraharaha miandraikitra ny famoahana ny gazetim-panjakana eny amin’ny primatiora ny 29 aogositra lasa teo ireo fanapahan-kevitra mikasika ny lisitra sy toerana misy ireo biraom-pifidianana manerana ny Nosy. Andrasana ny famoahana izany ao anaty gazetim-panjakana. Na izany aza dia efa azo jerena ao amin’ny tranonkalan’ny CENI ihany koa ireo tahirin-kevitra ireo nanomboka ny 29 aogositra 2018.

Nangonin’i Jean D.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT