Politique

Lisi-pifidinana Hisokatra amin'ny 1 desambra saingy...


  • Talata 20 Novambra 2018

Hisokatra amin'ny voalohany ny volana desambra ho avy izao indray ny fanavaozana ny lisi-pifidianana ka tsy hifarana tanteraka raha tsy amin'ny 15 mey 2019.

 

 Hapetraka eo anivon'ny fokontany ireo fitaovana maro samihafa mba handraisana anarana ireo olom-pirenena feno taona tokony hisoratra ao anaty lisitra. Amin'io fotoana io ihany koa no ahitana ny fanampina mpifidy. Nambaran'ny filoha lefitry ny vaomieram-pirenena misahana ny fifidianana ( CENI), Thierry Rakotonarivo fa andraikitry ny eo anivon'ny fokontany no manala ireo izay efa maty na koa nifindra monina, mba tsy hiditra ao anatin'ny lisitra intsony. Ireo sokajy roa ireo no alefan'ny fokontany eo anivon'ny CENI mba hahafahana mampiditra an'ireo mpifidy ireo ao anaty lisi-pifidianana, izay hofaranana vonjimaika ny 15 febroary 2019. Nomarihan'ity filoha lefitry ny CENI ity fa araka ny lalàna, aorian’ny famaranana tanteraka ny lisi-pifidianana amin'ny 15 mey 2019 vao azo hampiasaina izy io ka natao ho amin'ny fifidianana aorian’ny datin'ny 16 mey. Mahakasika ny fanisana sy fanavaozana tanteraka ny lisi-pifidianana (recompte électoral) indray dia nilaza i Thierry Rakotonarivo fa tsy maintsy miandry ny taona 2023 vao afaka manatanteraka ny fitetezana isan-tokantrano satria ny lalàna no mametra izany ho isaky ny folo taona. Marihina fa tamin'ny taona 2013 ny CENI no nanao izany. Nomarihany kosa fa manana fahefana ny CENI ny hangataka ny "recompte électorale" eo anivon'ny governemanta, raha toa ka tena mahita antony tsy maintsy hanaovana azy.

 

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT