Efa hatramin’ny volana oktobra, nialoha ny handehanan’ny fifidianana filoham-pirenena fihodinana voalohany no efa nanakiana mafy ny lisi-pifidianana ireo nitaky ny fangaraharahan’ny fifidianana rehetra, indrindra ry zareo avy eo anivon’ny firaisankinan’ireo kandida.
Efa tapitra ny fe-potoana tokony hanitsiana ny lisitra, saingy nony nitaraina ho tsy tao anatin’izany ny kandida Mailhol dia nampidirina tao haingana ny anarany, hoy ny kandida Jean Jacques Ratsietison, tamin’izay fotoana izay. Mety misokatra isan’andro izany ny lisitra, hoy izy. Raha ny andininy faha-5 ao amin’ny lalàna mifehy ny fifidianana no iverenana resahana dia ny 15 aprily teo no tokony ho nifarana ny fanavaozany ny lisitra. Ny anarana rehetra voarakitra tamin’io fotoana io no voalaza fa tokony handrotsa-bato nandritra ireo fifidianana notontosaina tsy ara-potoana rehetra tamin’ity taona 2018 ity. Maro anefa ireo firaketana an-tsoratra ny voka-pifidianana isam-paritra fantatra nandritra ny hetsika fitakiana fahamarinana tetsy Analakely farany teo no voaporofo fa tsy mifanaraka amin’ny isan’ny mpifidy voasoratra anarana sy voalaza ho nanefa ny adidiny ny isam-bato raketiny avy. Teo ihany ny fanatsinginana isa 1 na 2 anoloan’ny isam-bato azon’ny kandida laharana faha-13 rehefa hita fa resy tao amin’ilay birao ity kandida ity, raha ny tatitra voaray hatrany.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.