Namoaka fanambarana ny teo anivon`ny Fitsarana momba ny lalàmpanorenana (HCC) ny alakamisy 25 oktobra lasa teo tamin`ny alalan`ny tranonkalany mahakasika ny adihevitra momba ny lisi-pifidianana sy ny zon`ny olom-pirenena.
Nambaran`ny HCC fa malalaka ary tsy terena ny olom-pirenena hisoratra anarana ao anatin`ny lisi-pifidianana. Mazava hoy ity Andrim-panjakana ity ny nambaran`ny lalàna fehizoro laharana 2018-008 tamin`ny 11 mey 2018 ao amin`ny andininy faha-2 izay milaza fa “ny zo andeha hifidy dia lalàna eken`ny lalàmpanorenana”. Midika izany fa ny fanoratana ao anatin`ny lisi-pifidianana dia adidy ho an`ny olom-pirenena nahafeno fepetra izay voalazan’ny lalàna fehizoro. Izany dia mba ahafahan`ny olom-pirenena manefa ny adidiny amin`ny fifidianana. Mbola mazava hatrany ny lalàna, hoy ny HCC fa adidin`ilay olona izay voakasika maniry hifidy no mandeha misoratra anarana ao anatin`ny lisi-pifidianana sy hanara-maso izay anarana izay hatramin`ny fiafaran`ny dingana rehetra mba horakofana ao amin`ny lisi-pifidianana ny anarany. Manoloana izany, ny olom-pirenena latsaka izay nanaraka ireo dingana ho amin`ny fanoratana ny lisi-pifidianana tao anatin`ny fe-potoana voatondron’ny lalàna saingy tsy tao anatin`ny lisitra ny anarany fa latsaka noho ny olana ara-materialy teo amin`ny fikarakarana no atao hoe very zo, araka ny andininy faha-23 amin`ny lalàna fehizoro lah 2018-008 tamin`ny 11 mey 2018.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.