Isaky ny folo taona hatramin’izay vao manavao ny lisi-pifidianana isika eto Madagasikara amin’ny ankapobeny.
Tena lozabe anefa ny aterak’izany, raha araka ny fanazavan’ny sefom-pokontany etsy Anosizato Atsinanana. Tsy mahalala afa-tsy izy ireo mantsy ny mponina, indrindra fa ireo tsy tafiditra anaty lisi-pifidianana ka izy ireo hatrany no hifatraran’ny rihitra. Lasa ny fokonolona sy ny fokontany no mifandramatra raha araka ny fanazavany ary tsy hifampitsitsiana fitenenana izany fa tena mavesatra tokoa. Mangataka ny hanavaozana ny lisi-pifidianana isaky ny dimy taona ity sefom-pokontany iray ity, izany hoe isaky ny hiatrika ny fifidianana ho filoham-pirenena isika. Ho an’ny fifidianana filoham-pirenena farany teo dia nomarihiny fa betsaka ireo olom-pirenena mbola velona sy monina ao Anosizato Atsinanana nefa tsy tafiditra tao anaty lisi-pifidianana. Nahatratra 94 isa kosa anefa ireo olona efa maty mbola nibahan-toerana tao anaty lisitra izay nomarihin’ny sefom-pokontany fa tsy maintsy hodiovina. Am-perinasa tanteraka izy ireo ankehitriny. Mikasika ireo olona mivezivezy eny anivon’ny fokontany moa dia nomarihiny manokana fa ny 60 % ihany no tena maharitra izany hoe : efa tompon-trano avokoa. Ny 40 % hoy izy dia mpanofa avokoa izay tsy mijanona mihoatra ny roa taona amin’ny trano hofainy raha betsaka ka zary lasa misoratra in-droa na in-telo any amin’ny Fokontany samihafa.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.