Politique

Lisi-pifidianana Maneho ny ahiahiny ny CRAM


  • Sabotsy 11 Aogositra 2018

Mipetraka eo an-tsoroky ny talen’ny sampana ara-informatika (DSI) eo anivon’ny CENI ny hoavin’ny firenena mandritra ny fifidianana amin’ny 07 novambra 2018.

Manana andraikitra goavana izy satria raha sanatria ka miverina ny fomba fanao amin’ny fandatsahana ny anaran’ny mpifidy tsy mitovy hevitra amin’ny kandidàm-panjakana isam-pokontany na dia efa niverina nisoratra anarana tany amin’ny Biraom-pokontany aza ilay olom-pirenena vonona ny hifidy dia izay no hitarika ny olana goavana eto amin’ny firenena mandritra ny andron’ny 07 novambra 2018 sy aorian’ny fifidianana, hoy ny CRAM (Cercle de Réflexion pour l’Avenir de Madagascar). Manolotra vahaolana ny CRAM, dia ny tokony hahazoan’ny solontenan’ny Kandidà tsirairay  (mandataire) ny lisitra elekronikan’ireo mpifidy isaky ny birao fandatasaham-bato hahazoany manamarina raha ao anatin’ny lisi-pifidianana ny olony efa nisoratra anarana. Fantatra aorian’izay ny toerana sy ny tena isan’ny biraom-pifidianana marina manerana an’i Madagasikara. Faharoa, ny kandidà sy ny Antoko politika manolotra kandidà dia tokony hanana “outil de travail informatique - système d’information électorale en temps réel”  na fitaovana ara-informatika sy ireo pitsopitsony samihafa hahazoany vaovao momba ny fifidianana ara-potoana.

 

Toky R

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

Hijery ny tohiny
FTT