Politique

Lisi-pifidianana mampiahiahy Hitarika krizy vaovao


  • Zoma 05 Oktobra 2018

Maro ny olona tao anaty lisi-pifidianana nifarana tamin’ny 15 aprily 2018 no tsy anaty anaty lisitra farany. Tsy mitovy ny isan' ny mpifidy anaty lisitra avoakan’ny CENI isaky ny distrika sy ny fitambaran'ny isa anaty isaky ny lisitry ny birao fandatsaham-bato anaty distrikika, ary misy elanelany be satria misy nesorina na nampiana be dia be, hoy depiote Hanitriniaina Razafimanantsoa tao anatin’ny tambajotran-tseraserany.

 

 

  Hazavao ry CENI io hoa inona no fepetra raisinareo? Tsy vitan'ny hoe tsy misy azo atao intsony satria izay no lalana fa tompon’andraikitra ianareo, hoy izy. Lisitra faran’izay ratsy nefa nandaniana fotoana sy volabe. Ny kandida filoha Fanirisoa Ernaivo dia efa nanamarika, fa maro no tsy tafiditra anaty lisitra ary matetika aty an-drenivohitra no ahitana an’izany, kanefa any amin’ny faritra tena lavitry ny renivohitra no ambara fa nitombo, toy any Androy izay 203 004 tamin’ny 2013, ary lasa 314 031 tamin’ity, izany hoe 111 027 ny fitomboana. Any Atsimo Andrefana kosa dia 387 980 tamin’ny 5 taona lasa ary 551 837 ankehitriny, izany hoe 163 857 ny fitomboana. I Vakinankaratra anefa tamin’ny 2013 dia 702 569 ary lasa 834 804, izany hoe 132 235 ny fitomboana. Hitovy ve ny isan’ny olona mitombo any amin’ny faritra Androy sy Vakinankaratra ? Faritra 7 no tena be mpifidy, saingy mitovitovy isa amin’ny any amin’ny toerana tsy dia misy mpifidy ny fitombon’ny mpifidy ary ambany mitaha amin’ireo avy amin’ireo toerana mampiahiahy aza, hoy i Fanirisoa Ernaivo. Ity kandida ity dia efa somary nanipy teny momba ny CENI izay efa tamin’ny tetezamita ny ankamaroan’ny mpikambana, ary fantatra hoe iza ny kandida mety hahazo tombotsoa amin’izany. Tsy andrenesam-peo firy izy ireo ankehitriny. Ny kandida Mailhol André Christian Dieu Donné, dia efa nilaza fa efa tao anaty lisitra avy eo tsy tao, ary nisy tamin’ireo mpivavaka ao aminy no nofafana tao anaty lisitra. Fanambarana nandiso ny tsy maha ao anaty lisitra ity kandida ity no nataon’ny CENI omaly, kanefa maro ny heverin’ny mpanaraka ny toe-draharaham-pirenena ho lesoka, eny fa hatramin’ny kandida aza toa mamondron-kery sy mandrangaranga fanoherana. Raha resaka lalàm-pifidianana no fototry ny gidragidra tamin’ny volana aprily, dia ny lisi-pifidianana indray izany izao no hiaigan’ny krizy, raha izao fandehany izao.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT