Tontosa iny ny dingana iray eo anivon`ny vaomiera mahaleotena misahana ny fifidianana (CENI) saingy kosa mila manao jery todika faran’izay haingana mba hahafahana misitraka ny voka-pifidianana eken`ny besinimaro.
Olana anisan`ny tena goavana kanefa tsy azo vahana ny resaka lisi-pifidianana. Na dia eo aza ny tatitra nataon`ny vondrona SADC mahakasika azy io dia mazava ny lalàna fa tsy misokatra intsony ny lisi-pifidianana. Voalaza mantsy fa manomboka ny 30 desambra hatramin`ny 15 mey no azo voahina kanefa ny fifidianana filoham-pirenena fihodinana faharoa dia hotanterahina ny 19 desambra ho avy izao. Araka izany, ny eo amin`ny fikarakarana ny fifidianana (operation electorale) no tena himasoana sy hilofosan`ny eo anivon`ny CENI amin`izao. Mila hazavaina amin`ny besinimaro ny pitsopitsony rehetra manodidina ny fifidianana, indrindra ireo olona mitazona biraom-pifidianana, ny delege, ny rantsamangaikan`ny CENI, ireo mpitsara miandraikitra ny SRMV(Section de recencesment des materiels de vote) mba hitadiavana fomba hanatsarana ny lesoka tamin`ny fifidianana farany teo. Ankoatra izay, raha mahakasika ny andron’ny fifidianana, mila zaraina haingana ny kara-pifidianana mba ho tomombana sy tsy hisian`ny olana. Mila manao ezaka kosa ity vaomieram-pirenena ity manome fitaovana sy fampitaovana amin`ny SRMV mba ahafahan`izy ireo manangona vokatra faran`izay haingana satria anisan`ny niteraka savorovoro ihany koa ny fiandrasana ny vokatra teo. Anjaran`ny CENI rahateo no mitondra vahaolana mba tsy hampihisatra ny famenoana ny PV mba hifanojo tsara ny avy amin`ny biraom-pifidianana, ny SRMV ary avy ao amin`ny CENI. Mila paikady sy fomba fiasa matotra sy haingana ny CENI sy ny HCC amin`ny famoahana voka-pifidianana vonjimaika na ofisialy amin`io fihodinana faharoa io.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.