Mikasika io lisi-pifidianana io, dia efa nitabataba izahay fa tsy nisy nihaino, hoy ny Depiote sady mpisolovava Hanitra Razafimanantsoa avy amin’ny antoko TIM. Miantso ny CENI sy ny goverenamanta satria tsy nisy lisitra ratsy noho io, hoy ny teknisianina maro. Mbola nokitihina ny lisitra taorian'ny 15 aprily, ka nankaiza ireo nesorina ary iza ireo nampiana?
Tany Anjozorobe ohatra, dia misy elanelana 5103 ny lisitra najanonana tamin’ny 15 aprily. 1Ny boriborintany voalohany eto Antananarivo Voalohany dia nanesorana 100 ary 1000 mahery ny Atsimondrano. Namoly Ambalavao 322 noverezin-jo kanefa efa tao anaty lisitra. Tany amin'ny lisitra isaky ny Birao fandatsaham-bato, dia lasa 182. Misy olona verezin-jo. Mikasika ilay sata ara-pitondrantena noho izany tsy dia ilaina raha toa tsy raharahiana akory ny resaka lesoka sy zavatra tsy mangarahara, ary tsy misy hidiran'ny CENI. Ataovy ny sata ho an’ny sy ny kandida CENI fa ny lisi-pifidianana aza tsy mangarahara, hoy i Me Hanitra Hanitra Razafimanantsoa. Alalana avy aiza no nahafahana nanampy Avoahy ny lisitra isaky ny Birao fandatsaham-bato. Tena miahiahy izahay hoe nisy fihoaram-pefy teo anelanelan'ny 15 aprily 15 mey, hoy kosa ny Talen’ny Fampielezan-kevitr’i Marc Ravalomanana, Atoa Tsehenoarisoa Rabenja. Ny Foiben-toeran’ny TIM any Anjozorobe dia misy ny baiko hanesorana izany. Ny ben'ny tanàna tsy maintsy mihanihana hampandany kandida iray vao mahazo moto, hoy izy. Afaka mandray fanapahan-kevitra ny CENI sy ny governemanta amin'ireo anarana latsaka. Ny lalàna azo amboarina raha izay no mahasoa ny firenena, raha ny nambaran’ny Me Hanitra Razafimanantsoa! Mikasika ny resaka herijikan’ny kandida indray, dia efa ny faramparan'ny volana mey sy jona ny angidim-by, dia mbola tsy tafiditra hatramin'izao noho ny sakantsakana, raha ho an’ny kandida Marc Ravalomanana, hoy ny depiote Hanitra Razafimanantsoa. Efa nisy ny fifampiresahana tamin'ny Tale Jeneralin’ny ACM hoe nahoana no misy fitanilana? Tamin'ny 2013 anefa dia nisy ny toy izany, saingy nisy ny fanamorana avy eo, rehefa nandeha ny adihevitra samihafa. Ny volana janoary 2018 no efa nisy ny fiomanana hanakantsakana, hoy izy ireo. Andrasana anefa ny hivahan’izay olona izay.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.