Namoaka fanambarana iombonana ihany koa ny sabotsy teo ny KMF CNOE sy Liberty 32 ary ny komisionina episcopaly - Justice et paix.
Nilaza izy ireo fa nilamina ny fifidianana ary naneho ny fahendreny ny Malagasy na nisy aza ny lesoka. Mazava ny voalazan'ny lalàna mifehy ny fifidianana mikasika ny fampielezan-kevitra dia ny lalàna fehizoro 2018 – 008, andininy 55, 56, 59, 92. Tsy voahaja sady tsy nampanajaina izany satria niseho avokoa ireo endrika fampielezankevitra nialoha ny fotoana, hoy izy ireo. Mbola lesoka hatrany koa ny tsy fisian’ny famaritana ny fetran’ny fampiasam-bola natokana ho amin’ny fampielezan-kevitra. Hita taratra tamin’ireo fitaovana nampiasain’ny kandidà sasany fa tena volabe no nolaniana ary tsy nisy fampahafantarana ny mpifidy ny fiaviany. Betsaka ireo afisy fampielezan-kevitra napetraka tetsy sy teroa ivelan’ny toerana natokana ho amin’izany toy ny teny amin’ny fananana iombonana. Ny ankamaroan’ireo takelakazo natokana hametahana ireo afisy rahateo moa tsy nipetraka tamin’ny toerana talaky maso hitan’ny besinimaro. Maro be ny fihantsiana novoizin’ireo mpiaradia amina kandidà tao amin’ny tambajotra sosialy. Nisy mihitsy famoronana kaonty sandoka na “compte fake” ahafahana mivoy resaka tsy voamarina. Izay no talohan’ny fifidianana fa ny andron’ny fifidianana koa, hoy izy ireo, dia isan’izay lesoka izay ny tsy fangaraharan’ny antsapaka nifidianana ireo tompon’andraikitra 2 tokony hanao sonia ny ambadiky ny bileta, ny fisiana olona mbola manoro izay tokony hofidiany, misy lisitra tamin’ny birao sasany tsy hita ny anarana miatomboka amin’ny litera A ka hatramin’ny R ary G. Ny asan-dahalo sy ny fahatapahan-jiro tanatin’ny fanisam-bato moa manginy fotsiny. Santionany tamin’ireo lesoka hita moa ireo fa hatramin’izao aloha dia tsy mety mifarana izay lisitry ny lesoky ny fifidianana izay.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.