Antontan-taratasy mirakitra ny fanadihadian’ny Birao mahaleotena misahana ny ady amin’ny kolikoly momba na lehibena andrim-panjakana iray no miparitaka any amin’ny tambajotram-pifandraisana ankehitriny. Tokony hijanona ho tsiambaratelon’ny Bianco izy ity fa asa izay nahatafaporitsaka azy tao amin’ny rindrin’efatr’izy ireo.
Ny oktobra 2011 dia nisy olona tsara sitrapo nametraka fitarainana teny amin’ny Bianco fa nisy orinasan’ity olona ambony ity nahazo tany tamin’ny fomba tsy dia mazava loatra teny A…. teny. Ny taona 2009 tany ho any no nisehoan’ny tantara. Araka ny fanadihadiana nataon’ny Bianco, nomen’ny kaominina sy ny lehiben’ny fokontany ny orinasan’ity olona ambony ity ilay tany mirefy 6 ha 10 a 60 sa tamin’ny alalan’ny didim-pitsarana ny fananan-tany izay tsy nisy akory.
Mpitari-bato vilam-bava
Nanokatra fanadihadiana ny Bianco ka nahita fa nisy zavatra mampiahihy tao amin’ilay raharaha. Rehefa natao ny fanadihadiana ireo olona rehetra voakasika dia fantatra nomen’ity olona ambony ity vola 16 tapitrisa Ariary ireo olona ireo mba hanamarina ny nahazoany ny tany. Olona dimy miampy ilay olona ambony ankehitriny no nenjehin’ny Bianco fa nanao fanamparam-pahefana, kolikoly, fakana tombontsoa amin’ny fomba tsy ara-dalàna, firaisana tsikombakomba amin’ny fanaparam-pahefana, firaisana tsikombakomba amin’ny fandraisana asa voarara, fisandohana sy fanaovana taratasy sandoka ...
Vitan’ity olona ambony ity ny nampangina tanteraka ny raharaha ary dia izao izy lasa mpitondra fanjakana izao. Ity fanjakana ity anefa izay midradradradra ny ady amin’ny kolikoly hay ao anatiny ao izany misy mpitari-bato vilam-bava ka hafa ny lazain’ny vavany ary hafa ny nataon’ny tanany. Ny mpiasam-panjakana tsotra sy ny madinika hatrany no apiriatina amin’ity ady amin’ny kolikoly ity kanefa izy nahazo toerana ao ambony ao izany no tena mpanao azy dia ankehitriny vao mody be resaka hoe ady amin’ny kolikoly.
Tsy tokony ho sarotra amin’ny olona manodidina ny Filoham pirenena ny manara-maso ny fisian’ity raharaha ity ka raha tena vonona amin’ny ady amin’ny kolikoly tokoa izy dia tokony handraisany fanapahan-kevitra io.
Ra-Bri
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.