Mitaona ireo vato nasondrotry ny tany avy any Alaotra Mangoro ny lehiben’ny Faritra Ranaivonirina Jean Yves mba hiara-hisalahy amin’ny asa fampandrosoana ny faritra fa tsy ho variana amin’ny adilahy politika intsony.
Fotoana izao hanambarana ny hery ka hifarimbona ny rehetra hitondra ny anjara birikiny eo amin’ny fampandrosoana ny Distrika dimy izay mandrafitra ny Faritra Alaotra Mangoro, hoy izy. Mpitarika ihany, hoy izy ny eo anivon’ny fiadidiana ny Faritra fa ny rehetra no tompon’andraikitra eo amin’izay fampandrosoana ny faritra. Betsaka ireo asa tokony tanterahana saingy tsy vitan’ny faritra irery izany fa ilàna tolo-tanana avy amin’ireo vato nasondrotry ny tany miely patrana manerana ny Nosy. Manantena ny lehibe ny Faritra fa amin’ny fanatanterahana ny tsenabe Tarimbogna andiany voalohany amin’ity herinandro ity dia ho tonga maro any Ambatondrazaka ny rehetra. Zava-dehibe ny asa fampandrosoana hoy izy koa mitaona ireo izay vonona amin’izany hifanome tanana amin’ny fiadidiana ny faritra.
Niry A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.