Na tapa-bolana aza sisa ny fampielezan-kevitra mikasika ny fifidianana ho filoham-pirenena dia tsy sasatry ny manamafy ry zareo avy eo anivon’ny antoko politika Leader Fanilo,
elatra Zafera Antoine Rabesa fa kandida tsy nahazo tso-drano ny kandida narotsaky ny antoko Leader fanilo, elatra Jean Max Rakotomamonjy. Ny filohan’ity antoko voalaza farany ity ihany moa no sady kandida ho filoham-pirenena ihany koa. Nilaza ny filohan’ilay elatra iray, Zafera Antoine Rabesa fa mazava ny didy navoakan’ny lalàna fa izy ireo no ara-dalàna. Antony tsy nandrotsahan’izy ireo kandida kosa ny hialana amin’ny tsikeran’ny olona hoe ny olana anatiny ao aminareo aza tsy voavahanareo ka ataonareo ahoana no hitondra firenena ? Tsy manakana anay hanohana kandida hafa heverinay ho mirazotra amin’ny foto-kevitray izany, hoy Zafera Antoine Rabesa. Ho fantatra ato ho ato io kandida io.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.