Tena latsaka an-katerena ankehitriny, indrindra ny lafiny sosialy sy toekarena ny firenena malagasy ankehitriny, hoy Atoa Sambany Maharitra filohan’ny OSDEM (Organisation Spéciale pour le Développement de Magascar) izay fikambanana
manao asa sosialy sy ara-toekarena eto Madagasikara ka tsy ankinina amin’ny mpitondra ny fanarenana fa mila ny fandraisan’andraikitry ny olom-pirenena tsirairay avy tsy an-kanavaka mba ahafahantsika mahazo fahombiazana. Matoa mbola nitombo ny fahantrana teto amintsika nandritra ireo fitondrana rehetra nifanesy dia mazava fa misy zavatra tsy mbola ampy ao ka io fandraisan’andraikitra io no heverinay fa vahaolana mahomby. Izahay OSDEM dia manambara fa vonona hiara-kiasa amin’izay ben’ny tanàna rehetra ho lany ofisialy eo ary vonona hiaraka hiasa aminay. Mila miandry am-pitoniana ny voka-pifidianana ofisialy ny rehetra. Izahay dia manambara etoana, hoy Atoa Sambany Maharitra, fa eo amin’ny disadisa misy ankehitriny eto amintsika dia tokony hisy hatrany ny fifampidinihana eo amin’ny ankolafy tsy mitovy hevitra fa ny fitakiana arahina fitokonana lavareny hatao dia ho fantiantoka lehibe ho antsika eo amin’ity lafiny toekarena ity ary sarotra ny manarina azy.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.