Politique

Latsa-dranomaso i Neny “Tena nogadraina ny vadiko !”


  • Alakamisy 04 Desambra 2014

Tamin’ny alahelo sy endrika maloka no nilazan-dRamatoa Lalao Ravalomanana fa tena nogadraina ny vadiny. Omaly no nanao fanambarana ity vadin’ny filoha teo aloha ity teny Faravohitra rehefa avy nanao fitsidihana tany Antsiranana, toerana hitazonana an’i Dada

Tamin’izany no nilazany fa tsy misy mihitsy ny fanajana ny sata amin’ny maha filoham-pirenena teo aloha an’Atoa Ravalomanana. Tena tsy afaka mifanerasera malalaka amin’olon-kafa ny tenany na an-tsoratra io na an-telefaonina. Na dia ireo mpisolovava azy aza dia tsy afaka miresaka aminy. Marina fa afaka namangy azy ny tenako amin’ny maha vadiny ahy, hoy Rtoa Lalao Ravalomanana saingy tsy araka ny lalàna velona no hitazonana sy hanagadrana azy any an-toerana. Tena mampalahelo ny tranga mahazo ny filoha Ravalomanana. Tsy nisy ny ratsy nataony fa ny fikatsahana ny mahasoa ny firenena no nataony kanefa dia fanagadrana no tambiny. Velom-panontaniana moa ny Filoha Ravalomanana ny amin’ny tena hitazonana azy any Antsiranana, araka ny voalaza hatrany. Na ezahana simbana aza ny herintsain’ity filoha teo aloha ity dia tena mbola matanja-tsaina sy salama tsara ny tenany ary tsy izy no hilavo lefona amin’ny fijoroana amin’ny marina. Manoloana izany dia nanao antso avo Rtoa Lalao Ravalomanana ny hifanomezan’ny rehetra tanana amin’ny fanatanterahana ny fampihavanam-pirenena ka hanohanana ny ezaka ataon’ny FFKM satria izao andro noely izao hoy ny tenany no fotoana tsara indrindra hifamelana sy hifampiresahana. Nisy ihany koa ny antso manokana nataony amin’ny mpitondra ankehitriny ka tamin’ny ranomaso latsaka no nilazan-dRtoa Lalao Ravalomanana fa faniriany ny mba hanao fetin’ny Noely sy fankalazana ny tsingerintaona nahaterahan’i Dada miaraka ao an-tokantranony.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT