Politique

Lapan’i Tsimbazaza Zakan’ny vola ny Depiote


  • Zoma 24 Oktobra 2014

Trangan-javatra tsy fahita firy teny amin’ny Lapan’ny Antenimieram-pirenena ny niseho omaly alakamisy 23 oktobra dia ny tsy fahazoan’ny mpanao gazety niditra ny varavarana misy ny efitrano fivoriana sy ahitana koa an’ireo birao samihafa ao amin’ity andrim-panjakana ity. Fa inona no antony ?

Nikorontana ny fandaharam-potoana

Efa mahazatra aloha ny hoe tsy fahazoana miditra ny efitrano fivorian’ireo depiote rehefa “commission plénière” no atao fa natokana ho azy ireo samirery ny dinika atao noho ny lafiny teknika sy ny resaka tsiambaratelo samihafa eo amin’ny fandinihana ny lalàm-panjakana. Fa ny hoe tsy fahazoana miditra ao anatin’ny toerana misy an’ireo birao samihafa kosa dia tena zava-baovao tokoa. Tena mifankafantatra isan’andro amin’ny mpanao gazety ireo mpiambina ity varavaran’ny Lapa fivoriana ity. Nilatsaka anefa ny baiko avy any ambony ny mba hanakanana ny mpanao gazety. Fa nahoana ? Ny zavatra tsapa voalohany aloha dia mikorontana tsy mandeha amin’ny laoniny ny fandaharam-potoana voarakitry ny “ordre du jour” narafitry ny birao maharitra tamin’ny talata 21 oktobra. Tsy nisy mihitsy ireo asam-baomiera tokony ho notanterahina omaly alakamisy 23 oktobra fa dia fivoriana nihiboka (à huis clos) mandra-paharivan’ny andro no natao teny an-toerana.

Fizarana vola

Ny siosion-dresaka heno teny ho eny rehefa nisy fialan-tsasatra kely nisakafoanana ho an’ireo solombavambahoaka ireo dia resaka fandaminana ny raharaha anatiny no nodinihana tao. Fantatra ihany anefa raha ny tena marina fa ny resaka fitsipaham-pitokisana ny governemanta no tena niadian-kevitra be nandritra ny tapak’andro maraina maninjitra ary heno avy ety ivelany fa nisy fizaram-bola ho fandresen-dahatra ny tsy hidirana amin’izany fitsipaham-pitokisana izany, ary mety  izay angamba no antony tsy namelana ny mpanao gazety hiakatra tany ambony nisy ny biraon’ny iray tamin’ireo filoha lefitry ny Antenimieram-pirenena izay nisian’izany trangan-javatra izany.

Niova tampoka ny tarehimarika

Ny hariva dia nisy tokoa ny fanambarana nataon’ny vondrona parlemantera HVM nilaza fa nahangona sonia 101 amin’ny solombavambahoaka 151 ny tsy hametrahana izany fitsipaham-pitokisana izany ry zareo raha fantatra fa efa nahazo sonia 81 ny mpomba an’ity “motion de censure” ity afak’omaly alina. Na tsy te hino aza dia toa manamarina ny siosion-dresaka nandeha ny fitsimbadihan’ny tarehimarika tampoka  tahaka izao.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotĂ m-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

Hijery ny tohiny
FTT