Politique

Lapan’i Tsimbazaza Lasa fieren-jiolahy ?


  • Alakamisy 08 Oktobra 2015

Mahavelona ahiahy ireo depiote eny amin’ny Antenimieram-pirenena ny zava-nanjo ny depioten’Ankazoabo Mara Niarisy farany teo iny. Betsaka amin’ireo depiote no tsy matoky intsony ny fiarovan’ny andininy faha-73 amin’ny lalàmpanorenana malagasy izay mitanisa ny zo tsy azo ivalozana tsy ahazoana manambotra ireo depiote mandritra ny fotoam-piasany raha tsy nahazoana alalana avy amin’ny Birao maharitry ny Antenimieram-pirenena amin’ny fanafoanana ity zo tsy azo ivalozana ity.

 

 

 «Tsy sarotra amin’ny mpitondra ao amin’ny fahefana mpanatanteraka ny mamorona antontan-taratasy ho anao hanapaingorana anao rehefa manelingelina ny hafa ny firehan-kevitrao ara-politika», hoy ny depiote iray.

 

Vola ary vola ihany

 Ho an’ny fiarahamonina kosa dia toa ny mifanohitra amin’izany no mahalasa saina azy. “Tsy mbola nisy Antenimieram-pirenena mpamorika tahaka ity”, hoy ny sasany hatramin’izay nisian’ny andrim-panjakana mpanao lalàna. “Depiote tsy mieritreritra afa-tsy vola”, hoy ny hafa. Ny zava-misy kosa aloha dia hita eny amin’ny Antenimieram-pirenena avokoa na mpanolana zaza tsy ampy taona toy ny tany amin’ny faritr’i Sofia. Ny tany SAVA aza moa dia niteraka tamin’ny zaza tsy ampy taona mihitsy. Any avaratra ihany dia ahitana depiote  voatonontonona amin’ny aferana boaderozy. Teto Analamanga ny nahatrarana vola be mampiahiahy ka nosamborina. Vola be tsy fantatra hoe avy aiza ary hatao inona ? Ny politikan’ny malety anefa etsy an-daniny mandeha. Mbola any amin’ny faritr’i Sofia ihany ny depiote mamo lava ny mpanao afera sy ny mpijirika, ny mpanao aferana basy, rongony sy mifampiraharaha amin’ny dahalo toy ny any amin’ny faritra Anosy sy Atsimo Andrefana. Soa ihany fa tsy ny depiote rehetra fa mba misy ihany ireo vitsivisy manana fahendrena sy misy fitiavana ny tanindrazany amin’izay ataony. Ireo rehetra ireo dia samy arovan’ny lalàna avokoa amin’ny alalan’ny andininy faha-73. Saika hadino ireo depiote mpandositra hetra dia mody milafidafika ao ambany elatry ny filoham-pirenena mba tsy handoa volam-panjakana. Eto Analamanga no tena malaza amin’izay resaka izay. Mampalahelo ny firenena. Ary sao dia tsy tokony holokoina fotsy intsony koa ary io lapan’i Tsimbazaza io e ? Satria raha izao fisehony izao, loko mainty no mifanentana kokoa aminy.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

Hijery ny tohiny
FTT