Anio talata 21 oktobra, talata fahatelo amin’ny volana oktobra araka ny voalazan’ny lalŕna no hisokafan’ny fivoriana ara-potoana faharoan’ny Antenimieram-pirenena malagasy eny amin’ny lapan’i Tsimbazaza
. Araka ny voasoratra ao amin’ny solaitra be fanondroana ny fandaharam-potoana avy amin’ny birao maharitra izay nivory teny an-toerana omaly dia tsy amin’ny andro maraina toy ny mahazatra no hanatanterahana ny fanokafana ofisialy an’izany fivoriana izany fa ny tolakandro manomboka amin’ny telo ora. Raha ny tazana teny an-toerana dia hita ho vonombonona amin’ny fikarakarana rehetra ireo tompon’andraikitra voalohany 4 mirahalahy, dia ny filohan’ny Antenimiera sy ireo Kestora telo mirahalahy ary ireo mpikambana ao anaty birao maharitra tonga teny an-toerana omaly. Tety ivelan’ny lapa dia toa somary mangingina ihany raha jerena maimaika fa ny teny an-tsisintsiny rehetra teny no nahita fivorivorian’ireo samy solombavambahoaka samihafa. Fantatra àry fa tamin’ny takariva ny io omaly io dia nisy ny fivorian’ireo lohandohana mpitarika vondrona solombavambahoaka teny Tsimbazaza teny. Raha ny loharanom-baovao azo dia nanapa-kevitra ny haneho firaisankina tanteraka tsy hijerena loko politika na inona na inona ireo solombavambahoakan’i Madagasikara manoloana ny tsy fahatanterahan’ny mpanatanteraka ny lokaloka nataon’izy ireo sy ny asa tokony ho tanterahiny tao anatin’izay 9 volana nitondrany ny firenena izay. Anisan’ny voateniteny tao anatin’izany ny tsy fahazoan’ireto solombavambahoaka ireto ny fiara 4 x 4 nampantenaina azy ireo, ny tsy firindran’ny fandoavana ny vola sy tombontsoa tokony ho azon’izy ireo isam-bolana. Manginy fotsiny ny fitavozavozan’ny mpanatanteraka amin’ny fijerena ny sosialim-bahoaka sy ny famahana ny krizy eto amin’ny firenena amin’ny ankapobeny. Raha tsorina dia mamofompofona fitsipaham-pitokisana dieny ety ampiandohana ao amin’ity fivoriana hanomboka anio ity. Asa anefa na ho tanteraka izany na ho tsia ? fa etsy ankilany koa dia toa mampiahiahy be ihany ny filoham-pirenena sy ireo mpanatanteraka voatondro molotra ny tsy fahamarinan-toeran’ireo solombavambahoaka toa mivadibadi-palitao lavao izao ka azo eritreretina koa izay mety ho fandravan’ny filoham-pirenena, araka ny zo hananany an’ity rafitra mpanao lalàna ity. Omaly koa moa raha niventsoventso an’ity firaisankina ity ireto solombavambahoakan’i Madagasikara ireto dia nisy kosa ny nilaza tao amin’ny haino aman-jery tsy miankina iray teto Iarivo fa tsy afaka hiara-hiasa amin’ireo depioge mpiatsara ivelatsihy ao anatin’ity Antenimieram-pirenena ity ry zareo. Ka inona marina no mety hiseho. Eto isika mahita izy, hoy ilay mpanakanto mpisolo-teorana eny Tsimbazaza izay.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.