Halain’ny minisiteran’ny Atitany hatao toeram-piasan’ny foibem-pitondrana ankapobeny momba ny fitsinjaram-pahefana ny tranony eny Tsimbazaza nampiasain’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra (CUA) efa an-taonany maro izay.
Ny antony dia hoe ilain’ny minisiteram-panjakana misahana ny fanatanterahana ny fandaharan’asan’ny filoham-pirenena sy ny fanajariana ny tany ny trano niasan’ny “décentralisation” eo Anosy. Vokatr’io dia voatery hifindra eny Mahamasina ireo sampandraharaha samihafan’ny Kaominina nampiasa ny trano teny Tsimbazaza, ankoatra ny foibem-pitondrana misahana ny vola sy ny fitantanana aloha noho ny hateren’ny toerana eny Mahamasina. Ao anatin’izany rehetra izny no mandeha ny eritreritry ny mpiasa sy ny olona manaraka ity raharaha ity, amin’ny tokony hamerenana amin’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra amin’izay ny Lapam-panjakana Ambohitsorohitra hampiasainy. Tsy mampiasa io Lapa io rahateo ny filoha fa efa misy ny eny Iavoloha. Ny mpanongam-panjakana tamin’ny 2009 aza efa nanana eritreritra ny haka io toerana io tamin’ny 7 febroary 2009, hiasan’ny praiminisitra notendrena teny amin’ny arabe tamin’izany, saingy indrisy fa iny niafara tamin’ny ra mandriaka sy faty olona iny ny raharaha.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.