Ny ara-tsosialin’ny mponina izao no mahamaika fa tsy ny hoe miaraka amin-dranona na miaraka amin-dranona, hoy ramatoa Lanto Rakotomavo, mpitarika ny fikambanana MOVMA na ny “Mihetsika ny Olona manana Vina ho an’i Madagasikara”
. Tsy tokony hankinina amin’ny fampihavanana ny ara-tsosialin’ny mponina, hoy izy, na dia marina aza fa zava-dehibe ny fampihavanana izay nananan’ny filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina sy ny FFKM finiavana. Efa nandrasana hatry ny ela io, hoy ihany ity andriambavilanitra mpanao politika ity, saingy mbola ezaka lavabe ny fanatanterahana azy. Mbola lavitr’ezaka mantsy ny fampihavanana satria ferin’ny firenena an-taonany maro no sitranina sy harenina, noho izany mila tanterahana maika an-tsakany sy an-davany ny ara-tsosialin’ny mponina izay efa marefo dia marefo ankehitriny. Nomarihan-dramatoa Lanto Rakotomavo fa amin’ny anaran’ny fikambanana MOVMA no andehanany amin’ny fanasana rehetra azony ankehitriny, toy ireny teny amin’ny Lapan’Iavoloha tamin’ny fifampiarahabana nahatratra ny taona 2015 ireny, ka tsy tiany izany ambara ho « miaraka amin’iza na iza » izany satria tsy ny fiarahana amin’iza na iza no antoky ny fampandrosoana ny firenena fa ny fandraisan’ny rehetra andraikitra. Izaho hatramin’izay, hoy izy, dia tsy momba ny fifandrafiana fa ny hevitra ara-politika no tsy nitoviana. Irariany kosa raha ny filazany ny hanaovan’ny filoha ny marina sy ny rariny ary ny hitsiny mba tsy hiverenan’ny fanonganam-panjakana eto amintsika intsony.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.