Politique

Lanto Rakotomanga Tsy laharam-pahamehana ny fividianana 4x4 ho an’ny depiote


  • Alakamisy 12 Febroary 2015

Tsy laharam-pahamehana ny fividianana fiara 4x4 ho an’ireo solombavambahoaka, hoy i Lanto Rakotomanga, solombavambahoaka MAPAR voafidy teny amin’ny boriborintany faharoa – Antananarivo Renivohitra

 

. Efa mihoatra ny zato ireo malagasy mpiray tanindrazana maty noho ny fandalovan’ny rivodoza ka noho izany tsy ny fanomezana fiara tsy mataho-dalana ho an’ny depiote no maika fa ny fanampiana sy famonjena ireo olona ireo, hoy ihany ity olom-boafidy iray ity. Tena ratsy fitontona io fangatahana fiara ho an’ny solombavambahoaka io raha ny hevitr’i Lanto Rakotomanga, ary amin’ny fotoana hafa mihitsy no tokony handinihana azy fa tsy amin’izao fooana maha sahirana sy maha traboina ny firenena izao. Na izany aza dia mbola misy ihany ireo solombavambahoaka maika sy dodona mba hahazo 4x4 ary mbola nanindry aloka ny praiminisitra Jean Ravelonarivo teny Tsimbazaza omaly mba handinika ny momba ny hamoahan’ny fanjakana vola hividianana ireo fiara tsy mataho-dalana 151.


Nangonin’i RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT