zahay dia mpanao politika manohitra foana ny zava-tsy mety eto amin’ny firenena, hoy Rtoa Lalatiana Ravololomanana avy amin’ny Veliranon’ny mpanohitra, na fisiana kolikoly izany, fanararaotam-pahefana amin’ny endriny rehetra, didy jadona, fitiavan-tena,
Ifanaovana am-pihimamba ny fananam-pirenena. Mitaky mpitantana hampandroso ny firenena izahay, hoy izy, fa tsy mpitondra hampanjaka ny zarazarao anjakana. Mpitondra tsy manana ny hambom-po ny eto, nozarazarain’ny olona nanohana azy, mpitondra tsy nanana antoko dia lasa namorona an-dalana izay mba tokony hianteherany ka lasa namorona ny « alliance contre nature » PMP. Ao anatin’ny fisian’ny traboina sy kere vao mihetsiketsika ny mpitondra. Ilaina ovana ifotony ny fanaovana politika eto amintsika, hoy ity mpanao politika andriambavilanitra ity. Mandray anjara amin’ny tolo-tanana teny amin’ny tranombokim-pirenena Ampefiloha izahay, hoy izy, satria soatoavina Malagasy ny fifanampiana sy ny voin-kava-mahatratra. Tsy mendrika ny Malagasy, hoy Rtoa Lalatiana Ravololomanana, ny hiandry fiantrana toy izao, noho ny harena misy eto amin’ny fireneny. Tapitra aondrana an-tsokosoko daholo anefa izany fa tsy isitrahan’ireto vahoaka nahafoizan’Andriamanitra azy akory ka zary tompony mangataka atiny ny Malagasy. Ratsy tantana ny firenentsika ka ny vahiny no mitavana ny harena misy. Ananan’i Madagasikara ny hoenti-manana hanavotana ny olom-pirenena tra-pahasahiranana, hoy izy, raha nahay nitsinjo lavitra toy ny mpitondra rehetra ny teto amintsika. Mendrika ny tsaratsara kokoa noho ny fitserana sy ny fandohalihana hangataka vonjy any ivelany lava izao ny Malagasy ary tokony hijoro amin’ny fiandrianam-pireneny. Fanjakana tsara tantana no ilaina eto amin’ny firenena, hoy i Lalatiana Ravololomanana namarana ny teniny.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.