Politique

Lalatiana Ravololomanana Tsy mendrika ny Malagasy ny fitserana


  • Alarobia 11 Febroary 2015

Izahay dia mpanoa politika manohitra foana ny zava-tsy mety eto amin’ny firenena, hoy Rtoa Lalatiana Ravololomanana avy amin’ny Veliranon’ny mpanohitra, na fisiana kolikoly izany, fanararaotam-pahefana amin’ny endriny rehetra, didy jadona, fitiavan-tena, fanaovana am-pihimamba ny firenem-pirenena. Mitaky mpitantana hampandroso ny firenena izahay, hoy izy

 

, fa tsy mpitondra  hampanjaka ny zarazarao anjakana. Mpitondra tsy manana ny hambom-po  ny eto, nozararain’ny olona nanohana azy, mpitondra tsy nanana antoko dia lasa namorona an-dalana izay mba tokony hianteherany ka lasa namorona ny « alliance contre nature » PMP.  Ao anatin’ny fisian’ny traboina sy kere vao mihetsiketsika ny mpitondra nefa hoy ny fiteny hoe : « gouverner c’est prévoir ». Ilaina ovana ifotony ny fanaovana politika eto amintsika, hoy ity mpanao politika andriambavilanitra ity. Mandray anjara amin’ny tolo-tanana ety amin’ny tranombokim-pirenena Ampefiloha  izahay, hoy izy, satria soatoavina Malagasy ny fifanampiana sy ny voin-kava-mahatratra. Tsy mendrika ny Malagasy, hoy Rtoa Lalatiana Ravololomanban, ny hiandry fiantrana toy izao, noho ny harena misy eto amin’ny fireneny. Tapitra aondrana an-tsokosoko daholo anefa izany fa tsy isitrahan’ireto vahoaka nahafoizan’Andriamanitra azy akory ka zary  tompony mangataka atiny ny Malagasy. Ratsy tantana ny firenentsika, hoy izy, ka ny vahiny no mitavana ny harena misy. Ananan’i Madagasikara ny hoenti-manana hanavotana ny olom-pirenena tra-pahasahiranana, hoy izy, raha nahay nitsinjo lavitra toy ny mpitondra rehetra ny teto amintsika. Mendrika ny tsaratsara kokoa noho ny fitserana sy ny fandohalihana hangataka vonjy any ivelany lava izao ny Malagasy, hoy ity mpanao politika ity,  ary tokony hijoro amin’ny fiandrianam-pireneny. Fanjakana tsara tantana no ilaina eto amin’ny firenena, hoy i Lalatiana Ravololomanana namarana ny teniny.

Ntsoavina Evariste

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT