Politique

Lalatiana Rakotondrazafy Manaiky ho mpanolotsain’ny tanŕna


  • Sabotsy 22 Aogositra 2015

Nibaradaka ihany i Lalatiana Rakotondrazafy rehefa lava ny resaka. Nitety haino aman-jery ny kandidan’ny Freedom teto Antananarivo Renivohitra tamin’ny fifidianana Ben’ny tanŕna

 

Manao vaky bantsilana ny ambaran’izy ireo fa tsy fanarahan-dalàna nitranga taloha sy nandritra ny fifidianana kaominaly natao tamin’ny 31 jolay 2015. Miisa 87 ny fitoriana napetrany any amin’ny Fitsarana misahana ny ady amin’ny fanjakana mahakasika izany, izay raha fehezina dia mikendry ny hanilihana andaharana an’i Lalao Ravalomanana, noho ny fampiasan’ity farany ny teny hoe NENY tamin’ny bileta tokana. Lalatiana Rakotondrazafy irery amin’ireo kandida valo nifaninana tamin’ny kandidan’ny Tiako I Madagasikara no mandrirotra sy mamboly tsikera amin’iny fifidianana teto Antananarivo iny, fa ny rehetra dia efa niaiky sy nipao-tsatroka an’i Neny ka niarahaba azy. Ny hafa aza nanambara fa vonona ny hanolotra ny fandaharan’asany amin’i Neny hanasoavana an’ity tanàna iaraha-manana ity. Hita ho manahiran-tsaina an’ny Freedom sy Lalatiana Rakotondrazafy ny fahanginan’i Neny hatramin’izao io, na eo aza ny fihantsiana sy ny resabe atao aminy sy ny fianakaviany ary ny antoko nandrotsaka azy hofidiana. Vokany dia io mibaradaka, mivadi-dela io. Niloa-bava ihany i Lalatiana Rakotondrazafy, raha nivahiny tamina fahitalavitra tsy miankina iray halina, fa dia hitondra ny feon’ny vahoaka hatrany na ao amin’ny mpanolotsaina aza. Izay tokoa no tonga amin’ilay hoe : mamatotra ny teny raha atao betsaka.

Ra-Bri

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

Hijery ny tohiny
FTT