Politique

Lalao Ravalomanana “Tsy misy andraso andraso eto”


  • Alatsinainy 05 Oktobra 2015

Niepoka tamin’ny ora farany tsy nety nanatontosa ny fifamindram-pahefana ny kolonely lehiben’ny delegasionina manokana Antananarivo Renivohitra Ramiaramanana Joseph

 

. Efa nilokaloka ny fahavononany hamindra ny fitantanana ny kaominina amin’ny ben’ny tanàna vaovao Lalao Ravalomananana anefa ity manamboninahitra ity saingy tsy nipoitra teny Analakely indray tamin’ny fotoana nifanarahana hanatanterahana izany ny sabotsy maraina teo. Tsy nahasakana ny faharisihan’i Neny handray andraikitra anefa ny fihemorana tsy misy farany avy amin’ity mpiasam-panjakana ambony mpitantana vonjimaika ny renivohitr’i Madagasikara tsy mena-mivadika amin’ny teny nomeny ity.

Higadona isan’andro

Tsy hahasakana ny fanarenana ny renivohitr’i Madagasikara ny fandavan’ny Pds fifamindram-pitantanana ho an’ny ben’ny tanàna Lalao Ravalomanana. Nanapa-kevitra rahateo ny higadona isan’andro eny amin’ny toeram-piasany eny Analakely manomboka anio alatsinainy ny mpitantana vaovao ny kaominina renivohitra Antananarivo mba hifankazatra amin’ireo mpiara-miasa rehetra. Laharam-pahamehana ny fanatsarana sy fampandrosoana ireo boriborintany sy ny mponina ao aminy izay sasa-miandry ka tsy misy intsony ny andraso andraso amin’ny fanatontosana ny asa tamin’ny fandraisam-pitenenana ampahibemaso voalohany nataon’i Neny tao amin’ny Lapan’ny tanàna.

Mifanipy baolina

Tsy fantatra intsony ny tena marina momba ny sakana amin’ny famindram-pahefana sy fitantanana eo amin’ny Pds sy ny ben’ny tanànan’Antananarivo Renivohitra. Toa mandany fotoana mifanipy baolina fotsiny mantsy ireo tompon’andraiki-panjakana. Milaza moa ny filohan’ny delegasionina manokana fa baiko avy any ambony izy io. Miteny kosa ny mpitondra foibe toy ny sekretera jeneralin’ny minisiteran’ny Atitany fa efa azo hirosoana izany. Dia hitombina tokoa ve ny ahiahin’ny mpanara-baovao ny amin’ny fisian’ireo raharaha tsy mazava teo anivon’ny fitantanana ny kaominina nandritra ny tetezamita ? Miteraka resabe rahateo ny fanotofana tany eny Ankorondrano sy Masay efa nifanazavan’ny filoha teo aloha Ravalomanana Marc sy ny minisi-panjakana Rakotovao Rivo. Ity farany izay nampanantena fa hifanampy amin’ny ben’ny tanànan’ny renivohitr’i Madagasikara ka fotoana hampisehoana izany angamba izao.

Ramano F.


 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

Hijery ny tohiny
FTT