Nampametra-panontaniana ny maro ny fanambarana fiantsoana fitoniana nataon-dRamatoa Lalao Ravalomanana ny alatsinainy 20 oktobra lasa teo , kanefa roa andro mialoha io, ny sabotsy 18 oktobra dia niantso ny vahoaka malagasy mba hijoro hanohitra ny fanjakana, tsotra izao izy, araka ny hafatra nampitaina avy any Antsiranana, mba ho fitakiana ny famotsorana ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana.
Misy zavatra tsy mazava ao, hoy ny mpanara-baovao, ka izay no nahatonga ny resaka tetsy sy teroa hoe sao dia noterena hanao iny fanambarana iny ary Rtoa Lalao Ravalomanana ? Raha izay no izy dia iza ary no nanery azy ? Ny fitondram-panjakana ve sa ny olona sasany tao anatin’ny ankolafy misy azy ihany ? Re fa nisy ihany koa omaly ny fivoriana nataon’ny Ankolafy Ravalomanana teny Faravohitra notarihan’ny lehiben’ny delegasiona movansy Ravalomanana, Ravatomanga Roland, ary teny an-toerana ireo mpitarika rehetra. Re fa nangataka ny filohan’ny delegasiona ny tsy hanohanan’ny ankolafy Ravalomanana ny fitsipaham-pitokisana ny governemanta kasaina atao eny amin’ny antenimieram-pirenena. Somary nanaitra ny maro ihany io tolo-kevitra io, ary mbola nanamafy ilay fomba fijery ihany hoe be loatra ny zava-miafina amin’ity tontolo politika ity, ka mety noho izay mihitsy no mampitarazoka ny famahana ilay krizy !
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.