Tonga niara-niombom-bavaka tamin’ireo mpino Kristianina tao amin'ny Fiangonana Protestanta Malagasy aty Andafy (FPMA) Paris Chaussat na ny "Eglise Evangélique de la Rédemption",
Rtoa Lalao Ravalomanana sy ny mpiara-dia aminy, omaly alahady tolakandro. Ny mpitandrina Seth Rasolondraibe no nitarika ny fanompoam-pivavahana ary nitondra ny hafatra ho an'ny mpino tamin'izany. Toy ny efa mahazatra ny fiangonana, dia narahabaina niaraka tamin'ireo olona mitsidika na mandalo eo amin'ity fitandremana ity koa Ramatoa Lalao Ravalomanana. Nialoha io moa dia niaraka nankalaza ny asaramanitry ny 26 jona tamin’ireo Malagasy monina ao amin’ny renivohitra Frantsay sy ny faritra manodidina azy i Neny. Nandritra ny lahateny nataony no nilazany fa « vonona aho ny hijoro hitondra fivoarana ho an'ny firenentsika satria raisiko adidy eo anatrehan'Andriamanitra sy ny firenena ny fanasoavana ny mpiara-belona ». Nanararaotra ny diany any Alemaina mba niondrana kely tany Paris-Frantsa moa Rtoa Lalao Ravalomanana hankalaza ny fetim-pirenena satria ao no maro indrindra ny Malagasy monina any eoropa.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.