Vao mangiran-dratsy dia nidina ifotony nijery ny zava-misy eto Antananarivo renivohitra Rtoa Lalao Ravalomanana izay mitondra ny laharana faha-6 moa amin’ny fifidianana ben’ny tanàna
. Dia maika sy hazakazaka madinika no nitsidihan’i Neny ny teny Faravohitra, Avaradrova, Andohalo, Antaninarenina, Analakely, Behoririka, Ankadifotsy, Ambatomitsangana, Antaninandro ary Ambondrona. Ny fanatanjahantena sy ny fitaizam-batana atao, fa eo dia eo ihany koa ny fijerena ny zavamisy marina eto an-drenivohitra, ny fomba fiainan’ny mponina eto sy ny fihetsiketsehany vao maraina noho ny asa sy fitadiavana. Hitan-dRamatoa Lalao Ravalomanana tsara ihany koa amin’ity dia an-tongotra fanaony ity ireo asa tena maika amin’ny fanatsarana ny tanànan’Antananarivo. Niara-dia aminy hatrany amin’ity kotrana vao maraina ity moa ireo mpikambana tsotra sy olom-boafidy ao amin’ny TIM ary ireo olon-tsotra resy lahatra amin’ny foto-kevitra ijoroan’i Marc sy Lalao Ravalomanana amin’ny fampandrosoana ny firenena. Izy mivady izay manaporofo hatrany fa maro ny fomba azo atao hanarenana ity firenena ity ka miainga amin’ny famantarana ny tena manjo ny vahoaka aloha izany.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.